Edito

Ny omaly tsy miova


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Niverina indray ny fanapahan-kevitra mitovitovy amin’ny azo raisina fa tsy mitombina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna.

 

 

Toa efa nampoizina ihany, saingy ny ho vokany no andrasana hoe: ho tahaka izay efa niseho hatrizay ve? Ny hita aloha, dia mbola tsy milavo lefona. Milaza ny tsy hionona fotsiny eo, fa mbola ho avy masika hitaky ny heveriny fa fahamarinana. Ny ankilany ihany koa azo antoka, fa tsy maintsy hanao hena an-tanan-tsaka amin’ny ambara fa fandreseny, ka dia hitombo ny lonilony. Hanao ahoana ny tohiny? Mandra-pahoviana ilay fijoroana eo anatrehan’ny heverina fa tsy rariny? Hanao ahoana ny ho tohin’ny fifidianana manaraka eto raha izao foana no hiseho? Ny ampitso no hamaritra izany, fa raha ny ara-tsosialy, dia io iaraha-mahita io ny fahavoazana sy fahoriana zakain’ny vahoaka tra-boina. Efa niseho izany tany Avaratra Atsinanan’ny Nosy, saingy tsy dia taitra ny ankamaroan’ny mpitondra fanjakana. Asa hiverina ve ny fihetsika tamin’ny fampielezan-kevitra izay toa lasa malala-tànana sy tia vahoaka, ary nanao ny tsy fanao mihitsy ny kandida sasany. Nisy ny nanitsaka ny toerana mbola tsy nodiavin’ny tongony hatry ny naha olona azy. Naka ny fon’ny ambany tanàna. Nizara zavatra hividianana ny safidiny. Mba aiza re izany izao e? Izao no tena ilàna an’ireny, ary zavatra tena mahavaha olana no irariana. Asa anefa na mba misy taitra sy henjehin’ny eritreriny ihany eto, na efa nampatorian’ny seza sy ny fahefany, ka ny hampitombo ny harena sy fanana izao no maha maika. Izay vahoaka mijay sy tra-boina any tsy olana satria afaka telo na efatra taona vao ilaina indray ny vatony amin’ny fifidianana. Ny omaly tsy miova hatrany e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT