Edito

Ny omaly tsy miova


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Somary mangingina aloha hatramin’izao ny resaka politika noho isika vao avy niatrika ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fitsenana ny taom-baovao. Mbola somary mipiripirina ny rehetra, saingy isan’ny zavatra lehibe hitodihan’ny sain’ny maro izao dia ilay fifampiharahabana noho ny asaramanitra eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 05 janoary ho avy izao.

Mazava ho azy, fa handeha ny hanim-pito loha ho an’ny mpitondra sy ireo nasaina, raha toa ka zara raha misy hatoraka ny sarambabem-bahoaka amin’izao fotoana izao, toy izay efa miseho isan-taona, fa dia ny omaly tsy miova hatrany. Mitana ny sain’ny maro kosa ny hoe iza amin’ireo filoha teo aloha no ho avy amin’io fotoana io? Hatramin’izay aloha dia toa namaly ny antso hatrany ny filoha teo Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, fa ny amin’ity kosa no tsy hay, ka dia andrasan’ny rehetra izay hiseho. Somary mafampana ny toe-draharaha politika, indrindra taorian’ny fanambarana nisesisy nataon’I Marc Ravalomanana, fa kandida filoham-pirenena izy amin’ny 2018. Ny avy amin’ny antoko Arema ihany koa efa nilaza fa I Deba no ho kandidany. I Andry Rajoelina aloha no hany filoham-panjakana teo aloha tsy mba hita tabilao mihitsy tao anatin’ny fifampiarahabana noho ny asaramanitra hatramin’ny nialany teo amin’ny fitondrana izay, ary tombanana ho toy izany ny amin’ity taona ity. Na inona na inona hataon’ireo filoha teo aloha, dia efa tongotra mby an-dakana kosa ny an’ny fanjakana HVM io, ka tonga amin’ilay fitenena hoe ampian-tafika tsy ampian-tafika, fa dia ny omaly tsy miova hatrany na iza ho faly na iza ho tezitra. Fotoana anefa io hitsaran’ny rehetra izay hambaran’ny filoha ankehitriny indray, izay inoana aloha fa tsy maintsy hanadio tena sy hilaza fa nahavita zavatra, ary mbola betsaka nyambara fa hatao, ka dia ny omaly tsy miova eo foana. Ny fakana ny fom-bahoaka dia inoana fa tsy hohadinoiny velively na dia efa fanesoana azy ao anaty fahantrana mangitsokitsoka aza ny filiban’ny mpitona eny Iavoloha, saingy ny omaly tsy miova hatrany e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT