Edito

Ny olona lasa fa isika mihahaka eto


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Mandroso ihany ny fotoana ho an’ny raharaham-pirenena, fa ny fahasahiranana sy ny fahantrana miha mitombo ihany noho ny tsy fahaiza-mitantana manara-penitra.

Natao fialana bala sy nanilihana ny rihitra hatramin’izay ny olona iraisam-pirenena, tahaka ny ady any Ukraine. Asa na mba manongo tena kely ihany eo anatrehan’ny zava-misy maneran-tany fa I Ukraine ventesin’ny mpitondra antsika hanilihina ny tsy fahombiazana io aza anie ka na rotiky ny ady, dia efa isan’ireo mandefa fanampiana any Turquie sy Syrie izay lasibatry ny loza voajanahary e? Aiza ho aiza isika ilay nolazaina sy noventesina fa hanavotra an’I Afrika sy hampindram-bola an’I Comores? Mba mahalala menatra ihany ve fa izy anie no handray ny fitantanana ny Vondrona Afrikanina atsy ho atsy, izany hoe: miha lasa ihany ny olona, fa isika kosa miha maniry midina ohatran’ny rambon’osy satria ny hambo sy ny fireharehana no betsaka fa ny vokatra tsy hita veroka. Lany andro mirehareha sy miedinedina eny “miwerawera” etsy sy eroa, ary tsy ny fanatsaram-pitantanana mba hiadanan’ny Malagasy no hihazakazahana fa ny kajy politika maloto hiobodoana fahefana amin’ny fomba rehetra. Tsy adala ny olona, ary tsy mila basy aman-tafondro, tsy mila propagandy, tsy mila fizaran-javatra sy fanambatambazana samihafa,… dia lany indray raha tena mamim-bahoaka marina. Inona no sehatra tsy mikaikaika eto ankehitriny: ny mpanondrana entana miantso vonjeo satria volosana amin’ny volabe samihafa, ny orinasam-panjakana betsaka no mikolay satria tsy voaloa ny karama, ny sendika toy ny mpitsara manambana hitokona indray, ny tsy fandriampahalemana manao ny ataony,… Ny toekarena moa miha mitotongana andro aman’alina, raha tsy hilaza afatsy ny sandam-bola. Tena tontolo roa samihafa tokoa angamba no misy ny entina sy ny mpitondra matoa mbola nisy ny sahy nilaza fa tsy misy krizy eto, ary rehefa tsy handroso amin’izao fitondrana izao I Madagasikara tsy handroso intsony? Fa ny inona amin’ny vatana loatra no mijery e?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT