Miamarana ny taona 2020 sy mizotra any amin’ny taona vaovao isika. Zava-
dehibe ho an’ny isam-batan’olona, ho an’ny isam-pianankaviana, ho an’ny firenena ny manao tombana ny taona nodiavina sy mametraka fanamby ho an’ny taona vaovao. Ny olona tsirairay amin’ny ankapobeny no mametraka tanjona fa hiova sy hanova ho amin’ny tsara kokoa, hametraka fanamby lehibe, hamalona ireo tsy nety tsy fahombiazana,... Andeha hatodika any amin’ny fiainam-pirenena indray io hoe: nanao ahoana ity taona ity ary mba hanao ahoana ny ho avy? Mafy tamintsika iny taona iny, nangidy tamin’ny Malagasy,… Mipatrapatraka ny fampanantenana politika ankehitriny. Raha -3,8% ohatra ny tahan’ny harin-karena faobe amin’ity, dia kendrena ho 4,5% amin’ny taona ho avy. Tena finiavana lehibe izany kanefa arakaraka ny tanjona ve ny fiasa sy ny paikady? Tsy misy fahagagana azo antenaina firy, fa arakaraka ny afafy ihany no hojinjaina. Raha samy nametraka ny drafi-panarenana ara-toekarena ny firenena maro maneran-tany, dia toa tsy izay ny antsika, fa toa hafahafa ny mahamaika, ambanin-javatra ny toekarena. Zavatra tsy mamokatra sy rendrarendra no ihazakazahana izay tsy hoe ratsy, fa mbola tsy laharam-pahamehana. Miainga amin’ny vahaolana petatoko sy miankina ny zava-miseho eny an-dàlana eny avy eo ny fomba fiasa, fa tsy fantatra mazava hoe: avy aiza sy mizotra mankaiza i Madagasikara? Hamonjy izao tontolo izao no noventesina teto, ho sangany aty Afrika sy maneran-tany, saingy toa mihazakazaka mamonjy ny rambony hatrany! Tena mila miova sy mila maka lesona satria izay afafy ihany no hojinjaina fa tsy misy fahagagana azo antenaina firy e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.