Edito

Ny mpikarakara mihitsy no olana e ?


  • Alarobia 06 Aprily 2011


Toa miverina indray ankehitriny ny adihevitra amin’ny ho endriky ny fifidianana mety amin’ny Malagasy mba hivoahana amin’izao krizy izao. Fifidianana filoham-pirenena ve sa solombavambahoaka no hatao mialoha, sa hampiarahana izy ireo ? Tena mizara ny hevitra momba izany. Na ny olon-tsotra na ny mpanao politika dia samy manana ny heviny. Ao no manitrikitrika fa aleo ny fifidianana filoham-pirenena no hisantarana ny fifidianana rehetra amin’izay fantatra mazava izay tian’ny Malagasy hitondra sy hitantana azy. Raha tsorina ny resaka dia maro ny te hahita an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Nirina Rajoelina hifampitana mandritra ny propagandy sy ny fifidianana ka ho hita eo izay tena mamim-bahoaka sy fidian’ny maro an’isa, satria samy milaza izy ireo fa mahazaka vahoaka.

Ao koa anefa ireo milaza fa tsy mety raha ny fifidianana filoha no alefa mialoha fa aleo indray mba hiova ka ny solombavambahoaka no fidiana voalohany, amin’izay dia tsy misy intsony ny antsoina hoe kandidam-panjakana sy ny maro an’isa tsy azon’ny antoko hozongozonina eo amin’ny fitondrana ao anaty parlemanta tahaka ny nisy hatrizay. Mba tena ho solombavambahoaka miaro ny tombontsoan’ny vahoaka sy mitondra ny hetahetany tokoa no misy amin’izay fotoana fa tsy solombavambahoaka hanangan-tanana sy handray vola be fotsiny ary hanaraka ny baikon’ny fitondrana mpanatanteraka. Hevitra fahatelo ary tena vaovao be ho antsika eto Madagasikara ny hoe fifidianana roa sosona no hotanterahana ao anatin’ny iray andro, izany hoe sady mifidy filoham-pirenena no mifidy solombavambahoaka.

Efa fanao any amin’ny firenena maro izy io, eny fa na dia any amin’ny tany miady tahaka an’i Afghanistan aza. Mila fiomanana matotra ary mila fandaminana tsy misy tomika arahana fanentanana matanjaka dia matanjaka izy io. Na izany aza anefa dia maro ihany no manahy momba ity hoe fifidianana roa atao ao anatin’ny iray andro ity, satria na ny fampiasana ny bileta tokana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra tamin’ny taon-dasa aza efa nanahirana fa nifangaro tamin’ny fanentanana ny hala-bato ka tsy hay intsony izay tena marina, tahaka ny nitranga tao Moramanga.

Tsy ny endrika mety hisehoan’ny fifidianana loatra no olana fa ny hikarakara azy sy ny fiomanana aminy. Na eo aza ny fihetsiketsehana manerana ny nosy ataon’ny CENI dia maro no tsy resy lahatra fa tena mahaleo tena tokoa ity vaomiera mikarakara ny fifidianana ity na ara-poto-kevitra io na ara-pitaovana na ara-bola. Ankoatra izay, tsy mazava tsara ny andinin-dalàna mifehy azy sy ny tena fahefany marina. Tsy azo adinoina tokoa mantsy fa mbola ireo olona notendren’ny FAT avokoa no ao anatin’ny CENI amin’izao fotoana ary tsy mbola nandefa solontena ao ny mpanohitra sy ny mpitsara noho ny antony maro samihafa, ary tafiditra ao anatin’izay ny fitakian’ny mpanohitra ny mbola hisian’ny dinika hafa eo amin’ireo filohan’ankolafy mialoha ny tena hananganana ny tetezamita iaraha-mitantana sy ny rafitra rehetra ao anatiny, tahaka ny CENI. Rafitra mandringa avokoa no mbola misy eto Madagasikara amin’izao fotoana koa tsy tokony hahagaga raha maro ny ahiahy sy ny tsy fahatokisana mipotra etsy sy eroa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT