Edito

Ny mpanatsatso tsy maintsy misy


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Re matetika tato anatin’ny roa volana teo ho eo izay ny hoe, tsy amin’ireo filoha 5 fotsiny ihany no hanaovana ny fampihavanam-pirenena fa tokony mba hisandrahaka kokoa ilay izy ,ary hipaka mihitsy hatrany amn’ny vahoaka aza.Dia mahagaga ihany aloha ny resaka tahaka izany, asa hoe tsy maharaka vaovao ve sa tsy mahazo teny malagasy tsara ireo sokajin’olona mamerimberina io fangatahana io


, satria ny FFKM dia efa nilaza fa fanombohana ihany ny fihaonana eo amin’ireo filoha 5 fa mbola hiitatra ny fampihavanam-pirenena avy eo , na ny toerana aleha izany na ny olona mandray anjara…Ny tena mahatalanjona dia ireo olona nilaza tany aloha fa : « tsy nisy malagasy niady izany teto »  no be vava indray ankehitriny hoe : « tokony hitarina amin’ny vahoaka ny fampihavanana ».Milalao politika marina angamba ireo sokajin’olona ireo ka miovaova araka ny toetr’andro sy izay eo amin’ny fitondrana ny foto-kevitra ijoroana ? Ny sasany tamin’izy ireo ihany no mbola nilaza hoe :   « tsy mety mihitsy raha mody eto Ravalomanana fa hanakorontana ».Tsy nisy anefa ny korontana, tsy nisy ny fifamonoana na fanaovana valifaty, tsy nisy ny gidragidra sy ra mandriaka .Moa ve tsy efa mazava ny resaka fa mpanatsatso fotsiny ireny be filaza ireny, mpaminany sandoka ary tsy menatra mihitsy mampiesona ny vahoaka. Miroso ankehitriny ny fampihavanana na dia sarotsarotra ihany aza ny fifandresen-dahatra, izany mihitsy anefa no antony tsy maintsy hifampiresahana fa raha ny tabataban’ ny mpanatsatso no hiasana saina be loatra dia…taraiky eo e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT