Ny mifanohitra tanteraka

Raha Madagasikara tsy maintsy mandroso no nampanantenaina dia Madagasikara


  • Alakamisy 02 Mey 2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Miady ny rambony isika, hoy ry zareo sendikan’ny mpiasa omaly. Na ny fahalalahana manao hetsika sendikaly amin’ny andro iraisampirenena ho an’ny asa na ilay antsoin’ny maro hoe fetin’ny asa aza moa ireny no niseho. Tsy nomena alalana fa dia tena an-dalambe na an-tsisin-dalana teny mihitsy no voatery mba nanamarika izany. Faha 124 amin’ny firenena miisa 125, hoy ny minisitry ny fiarovana fahiny, nampahatsiahy ny filaharana iraisampirenena misy antsika, andro vitsy lasa izay. Mihemotra ny fahefa-mividin’ny olompirenena malagasy satria midangana hatrany ny vidim-piainana. Mihemotra ny fandriam-pahalemana. Andro atoandro be no misy fanendahana miampy fidarohana eto Antananarivo renivohitra, araka ireny niaraha-nahita tamin’ny haino aman-jery sy nameno tambazotran-tserasera vao tsy ela akory ireny. Ny mifanohitra tanteraka amin’ny nampanantenaina no mitranga. Ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ataon’ireo kandida mitondra ny loko politikan’ilay fitondram-panjakana anefa tsy menatra fa na any amin’ny toeram-pivavahana na any an-tsekoly dia mampahafantra tsy am-pihambahambana akory hoe ity no laharantsika. Dia bedy indray ve izany izao raha manontany ny HCC hoe mety izany sa tsia ? Raharaham-pirenena moa izy ity ka ny hiteny hoe lalao mbola ho ela, sanatria, fa ny azo ambara angamba dia ny hoe toy ny zavatra rehetra, misy farany izy ity saingy ny hirariana aloha izany dia ny hoe enga anie mba tsy ho sanatria mbola hilatsaka ambanin’izao ny fahantran’ity Madagasikarantsika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT