Edito

Ny maty tsy miteny


  • Talata 03 Mey 2011

Tao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana no nandraisan’ny Amerikanina ny vaovao nilaza fa maty voatifitry ny miaramila Amerikanina tao amin’ny trano niereny niaraka tamin’ny fianakaviany tany Pakistan i Oussama Ben Laden, filoha mpanorina sy mitarika ny vondrona Al Qaida, izay nosokajiana ho vondrona mpanao asa fampihorohoroana efa ho 12 taona izao.

 Ny asa fampihorohoroana tany New York ka nampirodana ny trano mijoalajoala roa dia ny World Trade Center tamin’ny 11 septambra 2001 izay nahafatesana olona 3.000 mahery no tena nahalalan’izao tontolo izao an’i Ben Laden izay nanambara avy hatrany fa izy sy ireo miara-dia aminy ao amin’ny Al Qaida no tompon’antoka tamin’iny. Nanomboka teo dia teraka ny hoe ady amin’ny asa fampihorohoroana ka nandefa miaramila tany Afghanistan sy Pakistan ny Amerikanina ary nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hokarohana ary tsy maintsy ho tratra ireo terorista na hitsoaka any amin’ny volana aza. Nitohy hatrany Irak moa izany ady izany ary nandalo tamina firenena Arabo maro ny fitsirihana sy fikarohana ireo terorista. Folo taona taty aoriana izany vao hita ny toerana niafenan’ilay nambara fa atidoha mpikotrika ireo fanapoahana baomba maro be maneran-tany.

Tsy azo alaina am-bavany na hadihadiana moa i Ben Laden satria lavon’ny balan’ireo kômandô Amerikanina izay efa nofaninana manokana nandritra ny fito volana mialoha ny fanafihana ilay Villa voahodidina tariby sy rindrina mijoalajoala nisy an’i Ben Laden sy ny ampahany tamin’ny fianakaviana tany Pakistan. Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao anefa dia tsy midika akory izao fa hoe hifarana eo ny fanaovana asa fampihorohoroana sy ny fankahalan’ny Arabo ny Amerikanina fa mety vao mainka aza hihamafy izany. Efa maromaro ihany hatramin’ny omaly ireo fikambanana silamo mahery fihetsika sy mandala ny ady masina na ny Jihad no nilaza fa tsy maintsy hisy ny valifaty noho izao namonoan’ny miaramila Amerikanina an’i Oussama Ben Laden izao, ary ireo firenena vahiny matanjaka dia efa nampandre ireo terataniny monina any amin’ny firenena arabo mba ho mailo sy hitandrina fa mety hisy ny valifaty sy fanaovana hasomparana.

Dia samy manana ny fandraisana an’ity vaovao ity ny rehetra. Ho an’ny Amerikanina manokana aloha dia midika ho fandresena goavana ilay izy, ary teo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena aza tonga dia nitombo ny herin’ny dolara Amerikanina, vantany vao nilatsaka ny vaovao omaly vao maraina. Fa eo ihany koa ireo mieritreritra fa main’ny afo natsanganay ihany ny Amerikanina tamin’ity raharaha Ben Laden ity, satria raha ny tena marina dia anisan’ny nanampy an’i Ben Laden sy ireo olona notarihany tamin’ny fotoana nanafihan’ny Firaisana Sovietika teo aloha an’i Afghanistan ny Amerikanina. Nijoro mantsy ireo Afghan tia tanindrazana tamin’izany mba hanohitra ny Sovietika, ka nalaza ny Moujhahidine, anisan’ny niara-niasa akaiky tamin’ireo i Ben Laden sy ny ekipany, izay lasa Al Qaida taty aoriana.

Taorian’ireny 11 septambra 2001 ireny aza dia maro no nilaza fa mety ho ny CIA ihany na ny sampam-pitsikilovana Amerikanina no nanakarama an’i Ben Laden. Izany no natao dia mba hahafahan’i Etazonia mampiditra miaramila sy manorina toeram-pamaharana any amin’ireo firenena Arabo sy ny manodidina azy. Efa lasan-ko razana moa i Ben Laden ka ho sarotra ny hamantatra ny tena marina tamin’ny zavatra nataony sy antony nanaovany izany ary ireo niara-niasa miafina taminy. Tena ho sarotra satria ny maty …tsy miteny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT