Tena tsy natao ho an’ny olona ratsiratsy fo marina ny politika, hoy ny tanora iray tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana. Raha hitarina kely izany dia milaza fa tsy mety ny fanankinam-po be loatra amina olona iray raha vao resaka politika no mitranga, satria mety zavara hafa mihitsy, ary matetika aza mifangarika tamin’ilay foto-kevitra nijoroana sy nitolomana ary nahasempotra noho ny lakrimôzenia no eken’ilay olona notohanana. Tsy sanatria hoe nivadika akory ilay mpitari-tolona, na ilay antoko politika, fa efa izay mihitsy ny politika, ny hevitry ny maro mahataka-davitra io, ary ny atao hoe maro eto dia tsy ny vahoaka velively fa ny mpanao politika. Ka rehefa mifanara-tsaina ny mpanao politika dia izay no izy, mivoaka amin’izay ny vahaolana. Tsy tokony hatao hahatezitra izany na hahasosotra fa efa tany am-piandohana no nandetika tsara tao an-tsainy ny olon-tsotra (mpitolona) fa resaka politika io idirany io ka mety ho maro ny zavatra tsy takatry ny sainy ao.
Tsy azo noeritreretina mihitsy roa taona lasa izay hoe hihaona izany ny TIM sy ny TGV, na ho avy eny amin’ny foiben’ny ankolafy Ravalomanana ny mpikambana ao amin’ny CST. Vao iray volana lasa koa izay no mbola nanitrikitrika ny Ankolafy Telo fa tsy hiditra ao amin’ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina izany raha tsy misy aloha ny fihaonan’ny filohan’ny Ankolafy efatra. Ankehitriny anefa dia hafa mihitsy ny zavatra mitranga, toa mifanaraka ihany ireo mpanao politika amin’ny andaniny sy ny ankilany na dia tsy nisy aza ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy, ary na dia mbola any am-ponja aza ireo mpitarika sasany ao amin’ny Ankolafy Telo. Tsy eto Madagasikara ihany no tahaka izany fa maneran-tany mihitsy ary efa hatramin’ny nanjakan’ny Grika sy ny Romanina tamin’ny fahagolan-tany. Adidin’ny gazety tahaka ny Tia tanindrazana izay «milaza ny marina rehetra» ny manambara izany amin’izao taona mifarana izao, mba hifarana manomboka izao ihany koa ny fisian’ny mahery fihetsika ka hanaotao foana noho ny resaka politika, afaka manohana tsara ny foto-kevitra ijoroany mihitsy ny tsirairay, saingy tokony hotadidiana masin’andro anio fa ny saina no miasa fa tsy ny fo amin’ny resaka politika.
Tsy azo itokisana amin’ny asa ataony intsony ny mpanao politika raha vao manomboka mitsetra olona sy enjehin’ny eritreriny noho ny zavatra rehetra nataony, satria efa tsy mpanao politika intsony izy amin’izay fotoana fa niverina ho olon-tsotra, entina, fa tsy mitondra sy mitarika. Ka noho izany dia tokony havela ho an’ny mpanao politika ny fanaovana politika fa tsy hidiran’ny miaramila, na ny mpitondra fivavahana, na ny fiarahamonim-pirenena, na ny mpanakanto … Sarotra raisina izany rehetra izany, kanefa izay no marina, ary izay no zava-misy eto amintsika. Niady ny mpanao politika, noho ny antony maro be dia nikorontana ny fiarahamonina sy ny firenena noho ny fifampiandaniana. Mihavana ny mpanao politika noho ny antony maro samihafa tsy fantatra, dia manomboka milamina indray ny zava-drehetra. Amin’ny resaka politika dia tsy filaza ny marina rehetra, ary vitsy ny mpanao politika tsy mandainga izany. Averina ihany fa tsy fanakorontanana na fanakianana be fahatany no atao eto fa filazana ny marina rehetra, koa dia anjaran’ny tsirairay ny mandray izay mety aminy sy manifika izay tsy eken’ny sainy. Fa na ho vy na ho vato, dia sarotra ny resaka politika ary tsy natao ho an’ny olona ratsiratsy fo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.