Edito

Ny marina


  • Alatsinainy 08 Febroary 2016

Tsy misy afa-tsy ny fanadihadiana lalina sy ny fitsarana tsy mitanila ihany no hahafahana mahalala ny tena marina momba ny raharaha 7 febroary 2009 raha toa ka mbola hokarohina. Resaky ny moana sy ny marenina mantsy no nisy tato anatin’ny 7 taona.


 Manizingizina ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana fa tsy meloka izy ary tsy namono Malagasy. An-kilany, ireo olon’ny tetezamita tsy te hahalala fa dia famonoan’olona ankitsirano no nataon’ny manampahefana teny Ambohitsorohitra tamin’io alahady 7 febroary 2009 io. Maro be ny porofo azo halalinina sy hadihadiana, ankoatra ny resaka diam-bala amin’ny rindrin’ny hotely iray sy ny Tahirim-bolam-panjakana eny Antaninarenina, dia misy sary  sy feo azo raisina ho porofo hanohizana ny fanadihadiana. Misy olona maro be tokony halaina am-bavany, eo koa ny tranga maro mila fanadihadiana fanampiny. Averina dinihana hatrany am-boalohany, ohatra, iny hetsika tamin’ny 2009 niafara tamin’ny fanonganam-panjakana iny, misy ny ampamoaka nataon’ny kolonely Charles, tokony hojerena sy dinihana lalina fa tsy atao fotsiny hoe tsy salama saina izy dia vita hatreo iny. Tsy vitan’ny resaka eny an-kianja isa-maraina fotsiny ireny zavatra tamin’ny 2009 ireny fa tsy maintsy tao ny fandrafetana paikady ambony latabatra, ary nisy ekipa nitarika io fa tsy hoe vahoaka an-jatony na an’arivony no indray miaraka mivory ao anaty trano iray. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia ny hoe azo itokisana hanao io fanadihadiana io ve ny fitsarana misy eto amintsika, ary misy olona tena sahy hanatsikafona ny marina rehetra tokoa ve ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT