Ny manantena tsy misy no sarotra !

Ny manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana !


  • Talata 10 Septambra 2024

Fomba fiteny sy firesaka fanaontsika Malagasy io rehefa misy zavatra nantenaina,

saingy tsy mety tanteraka sy toa mivadika poakaty, ka mora ny mampionona ny saina noho ny mbola fanantenana ny zavatra tsy misy. Raha ampifandraisina amin’ny raharaham-pirenena sy ny endri-pitantanana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, dia tsy mifanalavitra firy amin’izany. Sarotra ny hino sy hanantena fahagagana, raha tarafina amin’izay fomba firesaka re sy hita tao anatin’ny 5 taona in-droa nitondran’ny mpitondra ankehitriny izay efa miditra fanintelony ankehitriny. Ekena tokoa fa betsaka ireo olona niara-niainga taminy tany am-boalohany no efa nikisaka sy nakisaka, saingy ny lohany tena mitondra ny familiana tsy miova. Mba efa hita sy niainana ary nahazoana lesona izay rehetra niseho izay, ary indraindray aza mbola tsy misoka-bava akory ilay mpitondra dia efa fantampatantra ny hataony hoe : hampanantena indray io izao, hanilika ny tsy fahombiazany amin’ny hafa indray io, hamoaka vina sy tetikasa hoentina hanaitairana ny olona indray io,… Vao miainga dia efa azo refesina amin’ny firesany hoe : izany indray ny vina maniditsidina na programa tsy maty paika, ka dia mijanona ho resabe eny. Sanatria manamaivana, ary matoa tavela eo amin’ny fitondrana na efa tena « catastrophique » araka ny fitenin’ny vazaha aza ny zava-manjo ny firenena vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, dia misy hery sy tanjaka ara-politika ao izay. Hery sy tanjaka hoenti-manasoa vahoaka ve anefa sa zary lasa fanaovana sorona an’i Madagasikara tsy ho afaka eo ambany vahoan’ny fitiavan-tena ara-politika ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT