Edito

Ny manantena tsy misy no sarotra


  • Alatsinainy 20 Aprily 2015

Tena tsy mbola matoky ny fanjakana malagasy ve ny mpamatsy vola fa ny mpitondra no mbola tsy te hiaiky ?

Noho ny tsy fahampian’ny vola enti-mikarakara ny fifidianana Ben’ny tanàna dia nanambara ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara fa tokony hahena ny tetibolan’ny CENI-T hoentina manatontosa izany fifidianana izany. Rava hatreo ve izany ilay fampanantenana hoe manana mpanohana isika ? Amin’ny fanarenana ny orinasa Jirama dia efa nanambara izao ny solontenan’ny Banky eoropeanina momba ny petra-bola sy ny solontenan’ny Vondrona Eoropeanina fa hanokana valopy hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fanafoanana ny fahatapahan-jiro lavareny raha nihaona tamin’ny jeneraly Jean Ravelonarivo, praiminisitra lehiben’ny governemanta kanefa aiza ihany hatramin’izao ? Ny delestazy any amin’ny faritra efa mampiteny ny moana. Izay ihany koa ve izany no dikan’ilay antso nataon’ny praiminisitra amin’ny mpamatsy vola ireny fa tena manampin-tsofina ry zareo. Ny filoham-pirenena tany Tolagnaro dia mbola namerina fa tsy maintsy hatao ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’Ihosy sy Tolagnaro. Nampanantena hanome an’io vola io tokoa ny Vondrona Eoropeanina kanefa aiza hatramin’izao ? Dia hatramin’ny rahoviana isika no miandry eto ? Ny manantena tsy misy no sarotra !

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT