Edito

Ny mahafinaritra vao ny mahasoa !


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Mbola adihevitra tsy ho vita ao anatin’ny fotoana maharitra ny momba ny tetikasa sy ny laharam-pahamehan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany ankehitriny.

 

 

 Io iaraha-mahita io ny mahakasika ny Tanà-Masoandro. Amin’ny lafiny iray, ilaina izy manoloana ny fahasarotana iainan’ny mponina an-tanàn-dehibe. Adihevitra mipetraka kosa ny hoe tsy maintsy ny tany sy tanimbarin’olona ve no totofana ? Tsy izany ve no efa nanenjehana ny fanjakana teo aloha sy nentina nanongam-panjakana ? Tsara ilay tetikasa fa tena io ve no maika sy tadiavin’ny Malagasy ? Resahina ny fitsinjaram-pahefana tena izy, kanefa ny 42% amin’ny harin-karena faoben’i Madagasikara dia ho ao anatin’io avokoa, raha ny fanazavan’ny fanjakana. Tsy Antananarivo irery akory i Madagasikara, hoy ilay filohana andrim-panjakana iray izay. Trano lehibe mijoalajoala na “building” na koa tanàna raitra no hatsangana. Amin’ny fomba ahoana no hisitrahan’ny sarambaben’ny Malagasy izany amin’izao fari-piainana izao ? Miaina amin’ny karama farany ambany 200 000Ariary izay nireharehan’ny filoha mafy ka ohatrinona no mety ho hofan’ny tanàna manara-penitra sy building hatsangan’ny filoha sy ny ekipany ambara ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy ? Ny olan’ny jiro sy rano aza tsy voafehin’ny fanjakana. Ny tena filan’ny vahoaka izao dia ny hisotro, hihinana, hanana asa nefa  maika ny mpitondra amin’ny zavatra mirentirenty, izay tsy miantraika sy tsy mahavaha ny olan’ny Malagasy. Ny famokarana hahafahany mahavita tena ara-tsakafo sy manana ambim-bava sy azo havadika ho vola izao ny azy no zava-dehibe. Asa raha mbola mitombina ihany ilay fomba fisaina sy fihevitra hoe: ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra na ny mifanohitra amin’izay no misy eto !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT