Edito

Ny mahafinaritra aloha...


  • Alarobia 17 Oktobra 2012

Antsiranana, Toamasina, Betroka, Soavinandriana, Ambatolampy, Antsirabe ary tsy ho ela dia Ambatondrazaka.

 Ireo no faritra notsidihan'ny filohan'ny tetezamita tato anatin'ny 2 volana izay, kely sisa dia efa hitovy amin'ny Mada Raid nataon'ny profesora Zafy sy ny fitsidiham-paritr'i Marc Ravalomanana. Tsy maintsy mahita zavatra haorina na tokanana isaky ny mitsidika tanàna iray Atoa Andry Rajoelina no sady mbola mizara izay voatsirambin'ny tanana. Ramatoa vadiny ihany koa aza dia efa manomboka manetsika indray ny "Association Fitia" ka mizara fanomezana mitety faritra, ary indraindray aza dia tafara-dia izy mivady. Averimberin'ny filohan'ny tetezamita fa miasa izy ary nahavita betsaka lavitra noho ireo nitondra teo aloha, na dia tsy misy famatsiam-bola avy any ivelany aza, ary na dia mbola tetezamita fotsiny aza ny fitondrana.

Ny vahoaka madinika moa tsy manam-potoana hanadihadiana ny tena marina fa dia faly rehefa mba misy mpitondra ambony mitsidika no sady mahatolotolotra. Tena tsy misy tokoa ny famatsiam-bola, fa na izany aza manam-bola be ihany i Andry Rajoelina hozaraina etsy sy eroa sy hanorenana fotodrafitrasa tahaka ny kianja sy hopitaly manara-penitra. An-jatony tapitrisa Ariary ny vola ilaina amin'izany. Fa vola avy aiza izany io ampiasaina io e ? Raha tena misy vola be tsy mety lany any, nahoana no tsy mba hanavotana ny Jirama ? Na mba handrimbinana kely hanomezana fahafaham-po, amin'ny ampahany ireo fitakiana sendikaly. Ny fampandehanan-draharaha no tena asan'ny tetezamita. Nahoana no tsy karohana izay fomba rehetra hampandeha tsara ny raharaham-panjakana sy handaminana ireo grevy mandavan-taona ireo, fa ny fananganana fotodrafitra indray no mahamaika ? Inona no vahaolana matotra hitan'ny fanjakana amin'ity resaka solika ity, sa dia tsy maintsy hiaritra ny mety ho fiakaran'ny saran-dalana ve ny vahoaka ? Manam-bola afafy etsy sy eroa ny filohan'ny tetezamita, fa tsy mba mikaroka hevitra handaminana ny lafiny sosialy, kanefa efa tena mikaikaika ny isan-tokantrano.

Avereno indray ny fizarana vary sy menaka ary siramamy sy savony eny amin'ny Fokontany, na tsy omena maimaimpoana aza fa mba atao amin'ny vidiny mora e ! Tsy voatery atao isan'andro koa fa mba mety hoe isan-kerinandro, na isaky ny tapa-bolana. Ny vola tsinona misy ka ! Sa ve tsy maintsy kianja sy hopitaly manara-penitra no aorina ? Amin'izay mba misoratra eo amin'ilay tsangambato ny anaran'i Andry Rajoelina, dia mba hireharehana any aoriana any hoe : raha tsy izaho, tsy nahavita an'itony ! Propagandy tsy misy ohatr'izany intsony ary efa tsy miafina intsony ny fangalarana "départ" ataon'ny filohan'ny tetezamita. Ny mampalahelo fotsiny dia toa lany amin'ny rendrarendra ny vola fa tsy mba hahazoan'ny vahoaka maro an'isa tombontsoa akory. Efa tena mivadika ny rasa, dia ny mahafinaritra aloha ... vao ny mahasoa ! 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT