Edito

Ny madinika ihany no mifafa ny kiho…


  • Alakamisy 07 Janoary 2021

Mbola adihevitra tsy hifankahitana ny momba ilay volamena fitopolo kilao mahery tratra tany Afrika Atsimo,

 

 

 izay azo ambara fa tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona, raha ny lanja sy hadirin’ny fanondranana antsokosoko tratra. Toa voizina any amina resa-jaza na koa adihevitra tsy any amin’ny tokony halehany na “faux débat” ny resaka. Ritina sy voizina ny hoe zanaka mpanao politika mpanohitra no atidoha, ary ny mpanohitra no atidohan’io, miasa be ny kaonty fako amin’ny tambajotran-tserasera. Tena mahamenatra ny lalan-tsaina hitondrana azy! Ao indray ny mamoaka sary maneho fa misy mpanohana ny Filoha am-perinasa sy olona akaiky ny olom-boafidin’ny fitondrana amin’ireo tratra. Na iza na iza ao ambadika, tena hivoaka ve ny marina? Hivoaka sy hizaka ny saziny ve ireo tena atidoha sa ny irakiraka ihany no hanefa? Ahiana ho boriboriana ka misy ny olona hatao sorona hamatrarana ny rihitra na “bouc émmissaire” fa ny henjana henjana ihany? Tsy vao izao no nandeha ny trafika samihafa, betsaka ny afera maizina nisy teto, indrindra tato anatin’ny 12 taona farany. Tsy vitana olon-tsotra io, ary matetika vitavita ho azy. Ny mpitrandraka volamena mety 5g no azony raha be indrindra no haseho miharihary miaraka miaramila mitam-basy efa ho am-polony tany Ranomafana, ny mpangalatra akoho tsy notsaraina 4 taona no matin’ny bala rehefa nitsoaka ny fonja tany Farafangana,… fa ny mpanao trafikana volamena tafavoaka mora foana ary any am-pitandranomasina vao tratra.  Firifiry moa ireo afera vaky am-batolampy nodiana adala teto: moa nisy tohiny ny vola 2 baoritra tratra tamina olom-boafidy iray 5 taona lasa izay? Moa mba nisy tohiny ny ampamoaka nataon’ilay minisitra teo aloha any am-ponja momba ny boaderozy tao Iavoloha tamin’ny tetezamita sy ny trafika maro? Moa mba nasiana lanjany ny fitoriana mombana trafika hazo sarobidy nataon’ny Pr Zafy Albert fahavelony?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT