Edito

Ny lohany mihitsy no matsatso


  • Alatsinainy 04 Jolay 2016

Izany no tena manaboribory resaka ! Izay no azo amintinana ny resaka nifanaovan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny mpanao gazetin’ny Radio France Internationale (Rfi) omaly alahady 3 jolay


. Maivana dia maivana raha tahaka ireny ny fomba fanazavan-kevitra sy famaliana filohan’ny repoblika izany. Asa raha mba nomanina tsara ny zavatra tahaka ireny na natao maimaika fotsiny ihany tahaka ny fomba fiasa sy fomba fanapahan-kevitra mahazatra ao anatin’izao repoblika faha-4 izao. Efa mandeha ny fanadihadiana momba ny fipoahana tamin’ny 26 jona, hoy ny filoham-pirenena. Tsy mora manao zavatra hoy izy, nefa efa misy ihany ny zavatra azo raisina. Tahaka ireo mpitondra HVM mafana fo dia nilaza ingahy filoha fa misy ambadika politika iny raharaha 26 jona iny. Tsy misy anefa ny porofo mazava nasehony momba izany fa valinteny mihodinkodina no nasetriny ny fanontanian’ny mpanao gazetin’ny Rfi. Azo heverina ny tranga rehetra, hoy izy ary tsy misy siosion-dresaka azo hamaivanina fa aleo handeha ny fanadihadiana. Mahagaga fa herinandro aty aoriana ve, taorian’ny fisamborana olona sy fisavana trano maromaro teto an-drenivohitra dia tsy mbola manana olona na vondron’olona ahiahiana ho mety ho nahavanon-doza ihany ny mpitandro filaminana, milaza azy fa tena matihanina eto amintsika ? Herinandro aty aoriana ve dia tsy efa mba nahafahana nahazoana fanampim-baovao  mafonja ny horonantsary avy amin’ny TVM izay nampita mivantana ny lanonana teny Mahamasina ? Sa tena notapahana tanteraka tahaka ny fampitana mivantana tokoa ny fakàna sary sy feo tamin’io ? Raha sanatria marina dia hadalana tsy misy toy izany intsony, kanefa ny lehibe aza moa manao ny ataony ka inona no hanomezan-tsiny ny mpiasa madinika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT