Efa maromaro ihany ny raharaha nafampana teto. Voaresaka foana tao anatin’izany ny hoe :tsy maintsy hita ny marina ary tsy avela raha tsy tratra ireo nahavanon-doza.
Dia miaraka manao fanambarana ireo tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana, avy eo misy hetsika atao ka misy ny olona samborina. Matetika anefa dia mijanona amin’ny fisamborana sy fanagadrana ireo irakiraka ny raharaha fa tsy misy mihitsy atidoha na deba be voasambotra. Voaresaka izao, ohatra, fa misy olona ambony manamboninahitra ao amin’ny foloalindahy miara-miasa amin’ny dahalo, saingy hatreto aloha tsy mbola nisy nosamborina sy notsaraina izy ireo. Na ny resaka fakana an-keriny ihany koa aza dia mahavoatonotonona anaran’olona ambony, ny trafikana volamena sy boaderozy, ny resaka fandefasana olona hiasa any amin’ireo tany arabo izay efa miendrika fivarotan’olona mihitsy. Olona manan-katao, lava tanana sy mahitahita hatrany no mahavita zavatra tahaka ireny fa tsy olon-tsotra sempotry ny fitadiavana ka miasa 10 ora isan’andro. Mahoraka be ao anatin’ny 1 na 2 herinandro ny raharaha iray, saingy mangina ho azy rehefa avy eo. Ny sasany aza tsy hita ao amin’ny fitsarana tampotampoka eo ny antontan-taratasy. Mbola mibaribary be ny fanararaotam-pahefana eto amintsika ary ny efa manana ihany no mbola te hatavy sy be hatoka. Tsy misy fampandrosoana azo antenaina mihitsy anefa raha mbola tia tena tahaka izay ny manan-katao sy manampahefana. Izy ireo no tokony ho maodely tsara ho an’ny vahoaka kanefa ry zareo indray no manao hadalana. Tsy atao mahagaga raha manjaka eto ny gaboraraka e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.