Edito

Ny lohany indray no matsatso


  • Alarobia 22 Mey 2019

Toa mbola tsy mahatsapa ho filohan’ny Malagasy rehetra ny Filoha ankehitriny, ka sady manao propagandy ho an’ny tenany no mampandany ankolaka ireo kandidan’ny IRD.

 Ialokalofana ny tsy fitenenana hoe: “fidio”, fa raha ny fihetsika ivelany, dia io voambolana io no mahafehy azy. Tsy ho marin-toerana ny fitondrana raha tsy mahazo maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena, ka io manao izay ho afany mitondra tena ho ambonin’ny lalàna io. Tsy levon’ny vavoniny rahateo ilay hitsin-dàlana saika hatao hanovana lalàmpanorenana amboletra amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ka io mitady làlan-kafa io. Mangina sy moana tanteraka ireo andrim-panjakana tokony hijoro ho arofanina sy elanelam-panahy, raha tsy hilaza afatsy ny HCC, CENI, CFM,… fa dia mitazam-potsiny. Mankatoa sy mankasitraka ny zava-misy ve? Matoa Rajoelina manao ny ataony dia ahiana ho efa nahazo toky hoe mety tahaka ilay fampiasana ny anarany ny fidinany ifotony miaraka amin’ny kandidany sy ny fampiasan’ireo ny sariny. Mety efa tsara resaka sy nahazo toky tany ambadika indray fa hampiasaina ny “azo raisina fa tsy mitombina”, handavoana ny mpifanandrina. Ny  lohany indray ity no matsantso satria ilay filoha tokony ho fitaratra no toa manome leson-dratsy. Tsy atao mahagaga anefa satria izy no Raiben’ny fanonganam-panjakana teto, filoham-boninahitry ny savorovoro 2009,… ka io hamafisiny io.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT