Edito

Ny lohany indray no matsatso !


  • Alarobia 10 Mey 2017

Ny fary no azo atao fanoharana mikasika ny toetra sy ny fomban’ny mpitondra ankehitriny, ka tonga amin’ilay fitenenana hoe ny lohany indray no matsatso.

Ny filoham-pirenena izay heverina fa tokony ho angady hahatapak’ahitra manoloana ny savorovoro miseho eto amin’ny firenena ankehitriny no toa misitri-belona sy tsy te ho tompon’andraikitra manoloana ny zava-doza maro miseho, raha tsy hilaza afatsy ny kolikoly mahavoatonona ny anaran’ireo olona akaiky azy. Efa ela no nanaovan’ny herivelona maro teto amin’ny firenena ny handraisainy andraikitra sy hilazany ny heviny, saingy ny henoy izany ry hazon-damosiko no setriny. Ny praiminisitra izay milaza azy ho hentitra amin’ny fampanarahan-dalàna ny olom-pirenena toa efa ela ihany no nilaza handray andraikitra kanefa izy aza toa malaza ratsy ho mpiray tsikombakomba amin’ny mpanao kolikoly, ka dia anarany fotsiny no lohany fa toa matsatso e ! Ny solombavambahoaka sisa no hany fanantenana hitondra ny hevitry ny maro ka hitsipaka sy handrava ny governemanta efa hita fa tena tsy mahavita ny adidiny. Tsy hay anefa na mba hihaino ny feon’ny fieritreretany sy hitodika amin’ny vahoaka izy ireo na hivarotra fanahy, ka hijanona ao anaty sokanin’ny lohany matsatso toy ny fary ihany koa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT