Edito

Ny lasa tsy fanadino !


  • Sabotsy 17 Desambra 2016

Valifaty politika, fifampisamborana sy fifanagadrana izao no malaza. Ny mpanagadra anio dia mety hogadraina rahampitso ary izany no mihatra amin’ny olon’ny tetezamita teo aloha ankehitriny.

Tsy sanatria manenji-dresy na faly amin’ny fahavoazan’ny sasany fa ny tantara tsy mba fanadino. Ny fitondrana tetezamita no anisan’ny nanao fahirano teto amin’ity firenena ity, nanomboka teo amin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 sy ny fandorana fananan’olona ary ny fanagadrana sy ny ramatahora tsy tambo isaina. Nihevi-tena tsy ho tratry ny aloka saingy mikaikaika ankehitriny rehefa mba tratra ka ventesina avokoa izay teny rehetra ahafaha-manameloka ny fanjakana, izay mpiray lovia taminy ihany saingy nitsipa-doha laka-nitana noho ny ady tombontsoa. Izao ilay hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ary lesona ho an’ny rehetra ny zava-misy hoe mitsimbadibadika toy ny kodiaran-tsarety io tantara io fa tsy ho mandrakizay ny hanana hery sy fahefana. Toa manao azy tsy ho tratry ny aloka ihany koa mantsy ny fitondrana ankehitriny ka mibontsimbotsina sy miseho azy ho mafy amin’ny fisamborana sy fanagadrana. Mbola eo am-pelatanana aloha ny hery sy fahefana ka zary fahafinaretana ny fijerena ny fahorian’ny hafa migadra any am-ponja sy miery noho ny fanenjehana atao azy ireny. Mety hitsimbadika kosa ny tantara aoriana ao ary ho sesilany indray ny fanamelohana avy amin’ireto mihevi-tena tsy ho tratry ny aloka ireto rehefa tonga izay fotoana izay, fa izao aloha mbola afaka miedinedina sy manao vain-drahalahy tsy marary !

  Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT