Edito

Ny lasa tsy fanadino


  • Alarobia 01 Septambra 2010


Mbola mitana ny sain’ny maro, ary miteraka ady hevitra mandraka ankehitriny ny amin’ilay didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava tsotra mikasika ny raharaha 7 febroary 2009. Ny fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny maro ankehitriny dia ny hoe : mby aiza ny raharaha 26 janoary, izay nahafatesana olona farafahakeliny 68 ihany koa ? Nanohy nitarika olona teny amin’ny arabe, nikomy tamin’ny governemanta am-perinasa i Andry Rajoelina, Ben’ny tanànan’Antananarivo, io alatsinainy 26 janoary 2009 io. Niala teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey izy sy ireo mpiara-dia taminy, ary nitarika olona nidina teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy, hoe hitaky ny famoahana ireo mpianatry ny oniversite telo lahy, voarohirohy tamin’ny fanapoahana grenady teny Nanisana teny. Nandalo ihany anefa ny teo amin’ny toerana nambara fa dia nivadika ho fandrobana sy fandorana ny RNM sy TVM ny dian’izy ireo. Tsy nijanona teo fa nihazo an’Ampefiloha sy Andavamamba ny dia. Tsaroan’ny maro, fa teo Andavamamba i Andry Rajoelina, raha niteny nivantana tamin’ny radio tsy miankina samihafa teto an-drenivohitra ary nalefan’ny fahitalavitra tsy miankina sasany ihany koa, dia nitsodrano ireo olona izay ho eny amin’ny MBS Anosipatrana.

Dia niaraha-nahalala ny tohiny. Levon’ny afo izay sisa tsy norobain’ireo andian’olona ireo tamin’ny orinasan-tserasera MBS (Radio sy TV), fananan’ny filoha Marc Ravalomanana. Dia nitatra tany amin’ny fandrobana, fandorana fananan’olona ny raharaha tamin’io andron’ny alatsinainy 26 janoary io. Rehefa mety ho orinasa sy fananan’ny ankohonana Marc Ravalomanana dia lasibatra voalohany, toy ny Magro rehetra (Tanjombato, Ankorondrano, Behoririka) tsy teto an-drenivohitra ihany fa nanerana ny Nosy mihitsy. May koa ny trano printy Blueprint tao Behoririka, ny gazety mpivoaka isan’andro isany «Le Quotidien» sy «Ny Vaovaontsika», ny Auditorium teo Ankorondrano, eny fa hatramin’ny antokon’ny filoha Ravalomanana, Tiako i Madagasikara (TIM), koa aza «may». Voaroba avy eo nodorana ihany koa ireo tranombarotra hafa, ankoatra ny an’ny Karana, toy ny Jumbo Score Ankorondrano, Galerie Zoom, Suprême Center, CITIC Behoririka, Trading Center Analakely. Farafahakeliny dia nanodidina ny 68 ny olona namoy ny ainy tamin’iny.

Malagasy an’aliny no very asa tao anatin’ny indray mipi-maso. Harena tsy hita pesipesenina no lasa lavenona. Fatiantoka tsy roa aman-tany ny an’ny Fanjakana, satria ny fikatonan’ny orinasa iray dia midika ho fahatapahan’ny fidiram-bola toy ny hetra samihafa ihany koa. Samy nanana ny nilazany iny andro iny ny gazety mpivoaka isan’andro teto Madagasikara : «Alatsinainy Mainty», “Black Monday», «Lundi Noir». Fa ny fanontaniana mipetraka mandraka ankehitriny, dia ny hoe vitavita ho azy ve izany ireny rehetra ireny, tsy nisy tomponandraikitra ? Tsy misy fanonerana ny fahavoazana ? Sa rehefa iza no mitondra dia lazaina fa tany tan-dalàna ary rehefa iza na inona no tsaraina dia Fitsarana mahaleotena ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT