Feno 15 taona omaly alahady ny famonoan’olona mahatsiravina nitranga tao amin’ny tanànan’i Srebrenica, tany Yougoslavie teo aloha. Ny milisy Serba moa no tompon’antoka tamin’ity fandripahana ity ka ireo mpino silamo Bôsniaka no tena lasibatra tamin’izany. Navahana ary tsy nokitihana ny zaza amam-behivavy fa nampijaliana, notifirina, nodorana velona kosa, avy eo nalevina tanaty lavaka dia nitsahina sy nototofana tamin’ny bildôzera ny lehilahy 16 ka hatramin’ny 65 taona. Voasokajy ho ao anatin’ireo antsoina hoe «génocide» io tranga tany Srebrenica io ary tena henatra ho an’ny kaontinanta Eoropeanina hatramin’izao. Ny nahagaga sy nahatalanjona tamin’izy ity dia nijery fotsiny ny fampijaliana sy ny famonoan’olona nataon’ny milisy Serba ireo miaramila mpampandry tanin’ny firenena mikambana fa tsy nahavitana nanao na inona na inona. Mbola baraingo amin’ny rehetra hatramin’izao no anton’izany. Sarotra anefa ny mino fa tsy ampy fitaovana na tsy ampy olona ireo miaramila mpampandry tany ireo. Raha nitotorebika tamin’ny famaranana ny Mondialy 2010 tao amin’ny Soccer City tao Johannesburg ny tao Afrika Atsimo, dia an’aliny kosa, omaly ireo olona niara-nahatsiaro tao anatin’ny alahelo ity zava-doza nitranga tao Srebrenica ity, ary samy namerimberina fa ny lasa tsy fanadino, ary tsy tokony havela hilamina amin’izao fotsiny ny zavatra tahaka ireny, izay tena manosihosy amin’ny tany ny zo fototra maha olona mihitsy. Efa nisy voasambotra sy notsaraina ihany moa ireo ambara fa tompon’andraikitra tamin’ireny ady sy famonoan’olona tsy amin’antony tany Yougosalavie sy Bosnie Herzegovine ireny, saingy mbola misy ireo miriaria tsara any amin’izao fotoana, ka anisan’izany ireo manamboninahitra tena nitarika ny milisy namono olona tao Srebrenica ny 11 jolay 1995.
Mbola milamina ary sambatra ihany ny Malagasy tsy nitrangana toe-javatra mampalahelo tahaka izany, ka hoe olona 8000 no indray maty ao anatin’ny iray andro. Ny tena mahavaka ny saina anefa dia tsy mety mandroso fa toa vao miha mihemotra aza ity firenena ity, ary toa ireo firenena rotidrotiky ny ady indray no lasa any alohany, amin’ny lafiny rehetra. Ny baolina kitra moa no nahoraka tato anatin’ny dimy herinandro izao, fa mba rahoviana ny Barea vao hiatrika Mondial tahaka ny elefantan’i Cote d’Ivoire, firenena niady an-trano ary nahafatesan’olona aman’aliny, nandalo tetezamita dimy taona ? Nahoana i Rwanda no efa tafiakatra tamin’ny CAN na fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, nahatsiravina anefa ny adim-poko tany nandritra ny enin-taona ? I Afrika Atsimo nalaza ratsy tamin’ny fanavakavaham-bolon-koditra, reharehan’i Afrika ankehitriny satria nahavita nampiantrano ny Mondial. Ny lasa tsy fanadino, fa ny fiatrehana ny ho avy koa mila eritreretina dieny zao ; ary tsy misy mahavita tena irery izany fa fiaraha-mientan’ny rehetra ihany no mahalasa lavitra. Nahay nitraka sy nanarina ny simba ny firenena maro tany ivelany tany satria nahay nifamela sy nifandamina ary nijery izay tena tombontsoan’ny rehetra marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.