Isan’ny lesoka goavana amin’ny fitantanana ity firenentsika ity ny tsy fisian’ny fahintsiana sy fanetren-tena. Hafa no ambara anio, dia hafa no tanterahina rahampitso.
Nambara fa tsy ilaina ny mitrosa lava amin’ny mpamatsy vola, saingy mandady rariny sy mitady doka any amin’ny fivoriana iraisam-pirenena ihany ny mpitondra. Angaha moa isika tsy hampindrana an’i Kaomoro indray aza? Fahotana mahafaty ve ny mitsotra ny mitsotra ny marina? Izay ilay hoe ny vava no tsy atao be ny mamerina azy no sarotra. Fanindroany izao ny filohantsika no niatrika fivorian’ny an-tampon’ny vondrona Afrikanina, ka saika hita tamin’ny serasera sy tatitra hatrany ny fihaonana sy ny filazana fa atokisan’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Saika ny resaka ambony latabatra aloha no betsaka. Nisy tokoa ny karazana fanampiana ho antsika, indrindra fa ho an’ny lafiny maha olona, saingy inona no vokatra niantraika tamin’ny valalabemandry? Ny fitantanana ny fanampiana ho an’ny traboina aza toa nanjavozavo tanteraka. Andeha hatao hoe: efa rano raraka an-tany ireny. Efa nahazo lesona isika izao hoe: tsy mora kay ilay mitantana ny firenena. Mora ny mampanantena, mora ny miteny sy manakiana ny hafa, ary mora ny miresaka fa ho lasa paradisa kely i Madagasikara afaka 5 taona. Indrisy anefa herintaona izay no lasa, saingy ny rehetra no afaka mitsara hoe: tena misy zavatra mivaingana sy azo tsapain-tànana ve? Tsy fanakianana be fahatany sanatria, fa mampahatsiahy ny lasa fotsiny sao hadino sy tsy tsaroana. Nisy zavatra nambara maro tany amin’ny propagandy, toy ny hoe: tsy haka ny taninareo aho, hampitomboana ny famokarana herinaratra ary hampidinina ny sarany, hotsinjovina ny fampianarana,… Vita izay ny andrana, ary andeha tokoa hatao hoe: ny lasa homba ny lasa, araka ny tenin’ny filoha tamin’ny lanonam-pahatsiarovana ny raharaha 7 febroary. Tsofin-drano tsy hidiran’angano ary, ka enga anie mba hody ventiny amin’izay ny rano nantsakaina, ka tsy ho herintaona faharoan’ny kitsapatsapa anie ity taona 2020 ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.