Edito

Ny krizy tsy voavaha, vakansy no atao !


  • Talata 28 Aogositra 2012

Dia mbola amin’ny manaraka mihitsy izany vao hifanatri-tava tsara ny filohan’ny tetezamita sy ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana satria tsy misy indray ny filankevitry ny minisitra amin’ity herinandro ity.

 Atoa Andry Rajoelina sy ny fianakaviany moa dia miala sasatra any Frantsa. Aorian’izay dia tsy fantatra na hanatrika na tsia ny fivorian’ireo tany tsy momba ny atsy na ny aroa any Teheran renivohitr’Iran ny tenany ny 31 aogositra ho avy izao. Ireo minisitra ao anatin’ny governemanta Beriziky ihany koa dia mba nangataka 10 ka hatramin’ny 15 andro hialana sasatra aloha, misy ny eto an-toerana ihany ary misy kosa no hioandrana any ivelany. Na izany aza anefa dia nilaza ny avy ao amin’ny governemanta fa mandeha hatrany ny asa ary misy ny fifandaminana efa napetraka. Ny olon-tsotra kosa anefa etsy ankilan’izay dia mihevitra fa amin’izao vanim-potoan’ny tetezamita sy ny krizy tsy mbola mivaha izao, dia tsy tokony handeha hiala sasatra izany aloha ireo mpitondra.

Ny krizy tsinona tsy miala sasatra fa miha mafy isan’andro. izay eo ihany fa ny tsy eken’ny sain’ny olona maro dia ireto mpitondra tsy misalasala mandany vola am-polony tapitrisa ariary hialana sasatra, hono. Ekena fa manodidina ny 5 tapitrisa ariary isam-bolana ny karaman’ny minisitra sy ny olona ambony sasany, saingy na izany aza dia mahalasa fisainana ihany ny fahafahan’izy ireo tena migalabona amin’ny resa-bola. Nanao vakansy daholo ny mpitondra tany Frantsa teo aloha kely teo, saingy tsy mitovy amin’ny any i Madagasikara. Tsy mitovy amin’ny mpitondra Frantsay ny mitondra malagasy ka hiala sasatra any ivelany isan-taona. Mazava ny resaka eto fa misy ireo manampahefana tsy andairan’ny krizy fa vao maika aza metimety sy mahazo aina. Raha ny sitrak’izy ireo aza angamba dia ny mba haharetan’ny fitondrana tetezamita mandrakizay.

Fantatry ny mpitondra sasany tsara mantsy fa raha fifidianana no atao eto dia na filoham-pokontany aza mety tsy ho lany izy. Mbola ankamantatra, hatreto aloha ny ho fiafaran’ity krizy eto Madagasikara ity, na nivoaka aza ny datim-pifidianana dia tsy misy afaka manome antoka fa izay no hampilamina sy hampirindra ny fiarahamonina eto. Mba niatrika fifidianana koa ny tany Cote d’Ivoire fa ireny niaraha-nahita ireny fa nirefotra ny basy aman-tafondro, nitombo isa indray ny maty, ary nisy miaramila vahiny nanafika lapam-panjakana. Koa heverina fa tsy tokony mbola any amin’ny fialantsasatra no mahamaika ny mpitondra fa izay hampilamina haingana ity firenena ity sy hahitana marimaritra iraisana amin’ny disadisa politika misy eto.

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT