Handany vola am-polony miliara hanamboarana kianja manara-penitra amin’ny faritra maro eto amin’ny nosy ny fitondrana FAT, efa navoaka tamin’ny gazety tamin’iny herinandro lasa iny ny tolobidy momba izany, ary araka ny nambaran’i Andry Rajoelina tany Morondava ny sabotsy lasa teo dia hanomboka afaka iray volana farafahatarany ny asa. Anisan’ny hahazo anjara amin’izany kianja izany moa i Morondava. Sady azo hanaovana fanatanjahantena moa no azo hanatanterahana fampisehoana na rindran-kira goavana ireo kianja manara-penitra hamboarian’ny FAT. Anisan’ny hahazo tombontsoa manokana amin’izany ny tanora satria sady afaka hanao fanatanjahantena no afaka hiala voly.
Ekena fa maro an’isa ny tanora eto amin’ny firenena, saingy mahalasa ny fisainana ihany ity fihazakazahan’i Andry Rajoelina manamboatra fotodrafitrasa ity, izay tena tsy anjara asan’ny tetezamita saingy ataony, satria hono misy ny vola no sady tsy afaka miandry ny fanamboarana fotodrafitrasa mahasoa ny vahoaka. Maro ny adihevitra amin’ity resaka ity, fa raha aravona izy rehetra dia samy te hanambara hoe : “raha misy ihany ny vola, dia tsy aleo ve hikarakarana sy hikojakojana ny zavatra efa misy, tahaka ny hoe atao mora na tena zaraina fotsiny mihitsy ny fanafody any amin’ny hopitaly fa tsy vidian’ny marary.
Eo koa ny hoe tsy resaka kianja fotsiny anie no mampahay ny atleta fa fametrahana rafitra sy programa matotra e ! Tsy aleo ve aloha alamina ny olana isan-karazany any anaty federasionina any sy ny kiantranoantrano amin’ny fandrafetana ny ekipam-pirenena dia alefa amin’izay ny fanamboarana kianja, fa tsy sanatria hiakanjo ambony tsokoko isika sanatria”. Izay amin’ny ankapobeny no fahitan’ny olon-tsotra ny fihetsiketsehan’ny mpitondra amin’izao fotoana ; teo ihany koa ny nampatsiahy fa mahery vaika mihitsy ny fanenjehana ny fitondrana teo aloha ka namoahana ilay hoe : “azo hanina angaha ny lalana ?”, ka dia azo apetraka koa izany ny fanontaniana amin’izao fotoana hoe : “f’angaha azo hanina atao foto-tsakafo sy hamenoana ny kibo noana ny kianja manara-penitra ?”
Inona no mahamaika ny tetezamitan-dRajoelina hanorina kianja manerana an’i Madagasikara ? Misafotofoto loatra ao an-tsain’ny olona, araka ny fanadihadiana natao ny zavatra tena tian’izao fitondrana tetezamita izao hahatongavana, ary tena tsy mazava mihitsy ny fandaharan’asany. Fa ny manomboka maharesy lahatra ny maro aloha hatreto dia ny hoe : tena hilatsaka hofidiana filoham-pirenena i Andry Rajoelina ka mitety distrika telo na efatra isaky ny faran’ny herinandro, hanomezana toky ary hanombohana asa hita maso, hampisongadina azy amin’ny volam-panjakana …. Ka raha atao ny kajy dia hoteteziny ao anatin’ny 40 herinandro eo ho eo, izany hoe 10 volana ireo distrika 119 eto amin’ny nosy. Ka na tsy ho vitany hatramin’ny farany aza izany dia efa azo antoka fa manana tombony goavana manolona izay ho kandida rehetra izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.