Edito

Ny Hery tsy mahaleo ny Fanahy


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2017

Tafapetraka soa aman-tsara ny rafitra hiantsoroka ny fampihavanam-pirenena. Tsy arakarak’izany kosa ny tsio-drivotra politika, fa vao mainka mizotra any amin’ny fihantsiana ady sy korontana.

Raikitra ny antsojay amin’ny mpandraharaha sady mpanao politika Malagasy; mitohy ny fanaovana be marenina sy ny tsy firaharahiana ny hevitry ny hafa,… Inona no fampihavanana ho vita ao anatin’izany ? Tsy sanatria maniry ratsy fa toa mbola lavitry ny kitay aloha ny afo hatreto. Ny mpitondra fanjakana ankehitriny, izay tokony hiantso fihavanana amin’ny rehetra no zary lasa mpandranitra ady sy mitady korontana. Iza no manana seza sy fahefana harovana? Moa va tsy ny mpitondra izay mila mampiseho fihavanana sy fitsinjovana ny Malagasy raha te hanana fahatokisan-tena ho tafaverina soa aman-tsara eo amin’ny toerany. Tsy izay no misy eto fa vao mainka mihantsy ady amin’ny mpandraharaha Malagasy mamelona olona an’arivony. Ny hampom-po politika no mibaiko hoenti-manao an-kasomparana tsotr’izao, hany ka mahavita manaotao foana. Tsy hay na tsy mahalala na tena tsy mahafantatra ilay fomba fitenin’ny Malagasy hoe ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Kodiaran-tsarety ny fiainana, ka mba diniho ihany fa sao lahy efa  tratry ny aloka vao hoe : ndao tena hihavana amin’izay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT