Fitenin’ny tanora amin’izao fotoana indray ankehitriny ilay hoe « ny henjana ihany ! » ity rehefa te haneho sarisary mikasika asa na
fampanantenana iray sarotra tanterahana na mety tsy azo tanterahana mihitsy aza kanefa dia misy sahy miteny fa vitany. Saika hita isan’andro io ao anaty tambajotran-tserasera ao. Ny henjana ihany, hono, no mahavita mamelona tantsaha amin’ny alalan’ny fanotofana tanimbary na koa hoe “Ny henjana ihany no mahavita asa tsy vita tao anatin’ny 58 taona ao anatin’ny 5 taona”. Tsy itarina lava be intsony fa miara-mamehy izany ny rehetra fa andron’ny « henjana » izao vanim-potoana iainantsika izao, raha ny vazivazin’ireo tanora. Dia samy miandry izay hafitsoky ny henjana eto daholo tokoa aloha ny rehetra. Samy mamakafaka ny zava-nisy tao anatin’izay 9 volana nisian’ny fitondrana vaovao izay. Samy mahatsapa tokoa aloha ny rehetra, fa tsy hoe ny sehatra iraisampirenena ihany, fa i Madagasikara dia tara an-taonany maro eo amin’ny lafiny fampandrosoana. Arahaba soa, arahaba tsara tokoa raha tena misy ilay « henjana » ara-bakiteny maromaro tafatsangana amin’izao vaninandro izao hanavotra azy. Manana ny rehetra isika ahafahana miavotra, hoy ny filoham-pirenena, volana vitsy lasa izay raha naneho hevitra tamina gazety boky iraisampirenena iray. Rahoviana ary no hampiasaina amin’ny tokony hilana azy izay rehetra ananana izay no efa ho herintaona izao tsy mety teraka Ambatobevohoka ? Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana miakatra sy ny tsy fandriampahalemana aloha raha mbola vahoaka Malagasy tsy mandady harona koa. Ny henjana ihany tokoa angamba sisa no mahita fa mizotra mankany amin’ny fahombiazana isika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.