Edito

Ny hatsembohan’ny tavanao…


  • Talata 05 Janoary 2021

Mandeha ny ora sy ny fotoana, mandia taona vaovao isika. Taona hirariana

 

 

hitondra soa sy fanambinana ho an’ny isam-batan’olona, taona iriana mba tsy hanovozana fahadisoam-panantenana fa kosa hivoaran’ny rehetra,… Mirary sy mandrisika ny isam-batan’olona hiasa sy hifofotra ary higoka valin-kasasaran, fa tsy hiandrandra mana avy any an-danitra; tsy hiandrandra fanahy masina hirotsaka amin’ireo nomem-pahefana, izay toa efa tsy menatry ny mampanantena poakaty lava sy tsy mitana ny teny nomena. Tena mitombona ara-bakiteny amin’izao fotoana izao ny hoe: ny hatsembohan’ny tavanao no hihinanao, na dia manana adidy hanamora sy hitondra vahaolana amin’ny fahasahiranam-bahoaka aza ny mpitondra nampindramina fahefana, saingy tsy any no maha maika azy. Mila maka lesona tamin’ny lasa isika, mba tsy ho voafitaka sy ho voafahan-dalitra lava. Taom-pananganana ny taona 2021, hoy izy ireo. Taonan’ny inona izany ireo taona roa efa nolalaovana ? Taonan’ny fitrosana sy ny fampanantenana ve? Taonan’ny fanenjehana sy ny fangejana ary ny fanagadrana? Sa kosa taonan’ny aferafera? Matoa nihemotra namonjy rambony maneran-tany isika, dia tsy mahay mitantana ny mpitondra. Marina fa nisy ny valanaretina, fa tsy ny firenen-drehetra no namonjy ho rambony. Manana paikady mazava hiarenana ireny fa tsy toa antsika. Ny tànana efa zatra mitsotra tsy afaka ny hivokona, ny vava zatra mandainga tsy afaka hikombona, fa ny tsirairay no mila manokatra ny mason-tsaina, handefa saina lavitra, hahay handinika sy handalina,… mba tsy ho jamba sy tsy ho sodokan’ny lango malefaka sy ronono an-tavy lava. Akoho tsy naneno tahaka izay mety efa lanin’ny kary, hoy ny fomba fiteny, ka asa na firy isan-jato amin’ny Malagasy no mbola resy lahatra amin’ny ambara fa fahagagana hatao? Ny ampitso no hitsara, fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa !

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT