Edito

Ny fitsarana no fositra


  • Alarobia 17 Mey 2017

Tsy mahagaga raha tsy voafehy ny fitsaram-bahoaka. Na manao mafy ny asany amin'ny fanadihadiana aza ny mpitandro ny filaminana dia ny eny amin'ny fitsarana indraindray no fositra raha ny valim-pitsarana nivoaka omaly talata 16 mey 2017 tao Antsirabe ka nampimenomenona ny voakasika.

Raha tsiahivina, nisy halatra omby tao amin'ny fokontany ambatomainty-Tsaravavaka, kaominina Andranomanelatra ny taona 2015. Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona ka tratra tao Ambano ny dian'ny omby sy ny hodiny ary ny lohan'ny omby. Voarohirohy  ny mpivarokena sy mpanao hotely ary olona hafa maromaro ka nosamborin'ny mpitandro ny filaminana teo anivon'ny zandary tamin'izany fotoana. Notanana am-ponja vonjimaika ny olona 6 raha toa ka nafahana noho ny fisalasalana ny olona roa hafa. Tsy araky ny tompon'omby intsony ny tohin'ny raharaha taorian'izay. Ny faran'ny herinandro teo dia nampanatsoin'ny zandary ny tompon'omby very ka nomeny taratasy kely sy toy ny adiresy kely ka nasaina nanatona ny fitsarana Antsirabe ny datin'ny 16 mey. Akory ny hagagan'ilay tompon'omby rehefa nanontany ny tompon'andraiktra tao amin'ny fitsarana fa hay fitsarana ity niantsoana azy. Tsy afa-nihemotra intsony ny tenany fa niatrika izay zava-nitranga teo. Loza fa nafahan'ny fitsarana madiodio avokoa ireo olona rehetra tratra tamin'ilay halatra omby. Tampina tanteraka ny daominy ka niantso ny fianakaviany avy hatrany nandinika izay hatao. Nitady fanazavana tamin'ny mpitsara moa izy ireo saingy ny valin-teny azony dia hoe: "manana 3 andro hanaovana fanohanana ianareo raha tsy afa-po amin'ny didy nivoaka". Very hevitra tanteraka ny mponina any ambanivohitra ka mety izay ny mampirongatra ilay fitsaram-bahoaka.

Caius R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT