Edito

Ny fitiavan-karena no lehibe indrindra !


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Mba inona loatra re no hamaritana ny atao hoe fitiavan-tanindrazana ho an’ny maro e ?

 

 Mbola mipetraka amin’ny heviny tena izy sy araka ny feon’ny fieritreretana ve sa efa voaovan’ny mpanao politika sasany araka ny hevi-petsiny sy paipaika politikany ? Toa inian’ny kandida iray milaza azy ho tia tanindrazana aseho mantsy fa tompon’ny vola aman-karena izy kanefa dia vidiam-bola avy aty ambadika ny ankamaroan’ny mpanara-dia mba hilazana fa mahazaka vahoaka sy tian’ny olona, ka voizina fa ny fitiavana, hono, no lehibe indrindra e ! Tsaroana ery ny zava-nisy teo anoloan’ny tranon’ny depiote iray rehefa tsy nanome ny vola fampanantenana, ka dia nodoran’ny olona ny T-shirt izay tsy azo sainina sy heverina fa olona tia sy manohana ny kandida iray ve hahavita handoro ny fanamiana avy nisalorany na nampisalorana azy satria hoe ny fitiavana no lehibe indrindra ? Mba azon’ny saina aman’eritreritry ny Malagasy ve fa ny filoha Amerikanina firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany aza mety antsasaky ny vola lanian’ny kandida iray fanta-daza tamin’ny fanondranana harem-pirenena teto amintsika ny vola natosany tamin’ny fifidianana ? Dia afaka mifampitsara sy misaina tsara isika fa mazava ny hoe ny fitiavan-tseza no lehibe indrindra ary io fitiavana io, dia azo avadika amin’ny alalan’ny herin’ny vola ny heviny satria lany eo, ary raha lany eo dia afaka manohy ny afera efa nahazatra fony nitantana ny firenena ary mety hitombo avo roa na telo heny ny natao hatrizay. Ny akamakama rehetra efa zatra lala-maizina sy afera maloto, dia mifarirotra ka manao farahery amin’ny vola be hanampiana ny kandida mpiray afera aminy. Ny Malagasy anefa efa tonga saina, ary efa mibaribary ny azy ny hoe: mpanangana fa tsy mpandrava sy mpandroba ary mpambotry no ilain’ity firenena ity e !

Toky R 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT