Pretoria izao no malaza sy mbola ambetin-tenin’ny maro. Vita izy iny. Nitsefotra ny dinika tany Pretoria, hoy ny sasany. Tsy nitsefotra fotsiny, hoy kosa ny hafa. Ny marina aloha dia tsy nisy nipika loatra ny fifampidinihina satria tena saro-pady. Amin’ny fifampiraharahana iraisam-pirenena toy itony dia matetika anisan’ny antony tsy mampahomby azy ny famoahana vaovao manditry ny dinika. Sarotiny amin’izany ry zareo Afrikanina Tatsimo, tsy dia tian’izy ireo loatra ilay manao fanambarana isaky ny iray minitra ity. Mivoatra isaky ny minitra sy segondra mantsy ny resaka, ary mety miova manaraka izay fivoarana izay koa ny hevitry ny tsirairay koa tsy dia tsara ilay hoe vaovao tsy mifampitohy. Na izany na tsy izany ny marina dia marina ihany. Faharesena, mba tsy hilazana fa fahafaham-baraka ho an’i Lafrantsa, iny Pretoria iny. I Andry Rajoelina samirery no nilaza fa azy sy ny Frantsay ny drafitra, narahina filazana tetsy sy teroa fa efa nisy fifanarahana miafina teo aminy sy Ravalomanana, izay tetika nentina handravana ny firaisan’ny ankolafy telo fotsiny. Vaky am-batolampy tamin’iny Pretoria iny anefa ny lainga nafafy fa hoe efa nifanaraka i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana satria dia voaporofo fa tsy nahazo ilay volavolan-drafitra akory ity farany ka rehefa notakiany teo imason’ny mpanelanelana, izay nilaza ihany koa fa tsy nahazo raha tsy ny zoma 30 aprily, ny hoe aiza izany rango-pohy nataoko izany dia tsy nanan-kavaly i Andry Rajoelina. Vao mainka nanampy trotraka izany ny filazan’ny Afrikanina Tatsimo fa tsy nandray anjara tamin’ny famolavolana io drafitra io izy ireo. Porofon’izany, nailiky ny SADC sy Afrika Atsimo tanteraka i Lafrantsa nandritra ny dinika koa dia teny an-dalatsaran’ny hotely sisa ry Alain Joyandet sy ireo mpiara-dia aminy no nivenjivenjy nandritry ny fotoana nijanonana tao Pretoria. Dikan’izay : resy i Lafrantsa sy ny tetika nokotrehiny koa tsy tsara ny avy dia nanohizana ny dinika satria hisora-tena eo indray izy hoe ny fifanatonana nokarakarainy no nampivaha ny olana fa fotoana tsy misy mihitsy, sady volan’ny SADC no mandeha eto fa tsy an’ny Frantsay.
Manaraka indray dia mazava ny tenin’i Joaquim Chissano, nandritra valandresaka ho an’ny mpanao gazety, fa nanaiky ny tokony hampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis i Andry Rajoelina. Nanaiky teo imason’ny rehetra ity farany fa hiverina hifampidinika afaka 15 andro ary mazava ho azy fa tsy hisy resaka Frantsay eo. Ny lojikan’izay dia ny miandry io 15 andro io no fahendrena. Ny miaramila dia kaontin’ny nofitahany koa amin’ny hoe efa misy fifanarahana vita any, koa ny fahendrena sy hevitra ary andraikitra tokony horaisin’ny foloalindahy dia ny fanerena an’i Andry Rajoelina hiverina any Pretoria afaka 15 andro satria tsy hankato izay governemanta miaramila na iraisan’ny miaramila sy ny sivily hatsangany eo ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ary dia tsy hisy koa ny famatsiam-bola satria mbola fanapahan’olon-tokana foana izany, ka izay olona hiditra eo dia avy hatrany dia hosazian’ny Vondrona Afrikanina ary hitatra izany sazy izany. Sao mantsy mihevitra fa hoe mihantona fotsiny ny fanampiana amin’ilay fanapahan-kevitry ny Vondrona Eoropeanina farany teo fa na mihantona io na tapaka tanteraka dia mitovy ny fiantraikany : “tsy misy vola”. Ny azo antoka aloha hatreto dia mikatona ny fiaraha-maisa : vita izany ny fifampiresahana anaty loabary an-dasy araka ny sata mifehy ny Vondrona Eoropeanina sy ny Afrika-Karaiba-Pasifika. Dia mazava izany fa tsy hidinika amin’ny HAT intsony ry zareo fa fanamafisana ny fanapahan-kevitra noraisiny sisa no hataony. Mazava koa fa hanamafy izany ny Firenena Mikambana sy ny Amerikanina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.