Edito

Ny eo ihany no eo e !


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Nivoaka iny ny datim-pifidianana, ary samy manana ny ambarany ny mpanao politika isan-karazany.

Ao ny milaza fa tsy azo antoka ny lamina rehetra hahafahana miroso amin’ny fifidianana, ka hijoro amin’ny heriny rehetra indray hanohitra izany. Ao ny miteny fa efa vonona sy sahy, ka dia mikofokofoka mafy. Ary ao ihany koa ny eo anelanelany satria sady vonona no mametraka ahiahy noho ny tsy fisian’ny fitsipi-dalao  mazava. Ady fiady ity raharaha ity satria dia ireo efa manan-kianteherana amin’ny kajy maloto mety hilaza indray fa matahotra sy kanosa ny an-kilany tsy mahatoky ny mety ho fisian’ny tetika efa maty paika. Samy manana ny kajiny ny rehetra fa ny hita aloha dia misavorovoro tanteraka ny toe-draharaha. Ny azo antoka, dia tsy hisy zavatra hilamina sy handeha amin’ny laoniny eto, raha tsy mbola mipetraka ny lamina sy fepetra hisian’ny lalao madio e ! Mby aiza izao ny resaka fampihavanam-pirenena ? Ahoana ny momba ny lamina rehetra amin’ny fikarakarana fifidianana ? Nisy ny dingana natao teto amin’ny firenena dia ny tolona ho an’ny fanovana na dia tsy tratra araka ny niheverana azy aza, saingy ny fomba fanao efa teo ihany no mbola misy miezaka hitazona. Ny teo ihany no teo raha ny kajikajy kotrehina. Mety ny efa natao teo aloha ihany koa no hiverina hoe samy hifafa ny kihony ireo ambara fa mpanao politika be loha, ka ho avy indray ny didin-dry zareo avy any dilambato, ka samy hiahaka eo na samy be kajy aza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT