Edito

Ny bainga voavadika ihany! Mbola velom-panontaniana moa izany


  • Alatsinainy 19 Febroary 2024

hatramin’izao ny mpanara-baovao hoe inona marina no tena

votoatin’ity dia nankany Dobay nivily tany Addis Abeba ity? Isan’ny adihevitra ny hoe miezaka, mba tsy hilazana hoe mitotototo, mifanaraka mafy amin’ny tatsinanana ve satria hita ho miala tsikelikely ankehitriny ny famatsiam-bolan-dry zareo tandrefana eto amin’ity firenena ity? Misy amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany eto an-toerana sy amin’ireo vahiny heverina fa isan’ny resena lahatra hampiasa vola eto ireo koa anefa no voalaza fa velon’ahiahy manoloana ny famerana ny sidina ahafahana mampifandray an’i Madagasikara sy ny iray amin’ireo firenena voalaza teo ireo. Isan’ny fanontaniana mipetraka ao anatin’izany ny hoe maninona no seranam-piaramanidina miisa 2 ihany, dia ny eto Antananarivo sy Nosy be, no misitraka izay fampifandraisana izany nefa lazaina fa manara-penitra daholo ny seranam-piaramanidina isam-paritra? Kopaka isasahana ho fampanjariana ny fandraharahan’ireo tafiditra ao anaty fitondrana ve? Endrika vaovao hamotehana ireo mpandraharaha malagasy hafa ve? Fanontaniana isan’ny nanitikitika hatramin’ny faran’ny herinandro teo izany. Etsy ankilany moa dia efa mahazatra ny fihetsiketsehana sy fakana sary mirentirenty samihafa. Ny matetika hita indray izany tato ho ato dia ny fanelezana tenin’Andriamanitra na tenina mpanoratra malaza miaraka amin’ny sarin’ilay mpitondra tiana hasongadina manokana mba entina hilazana fa olom-baovao io na miasa mafy io saingy tototry ny fanenjehana. Mety ho fanehoana fa «niova fo» koa ve? Asa aloha fa dia ny bainga voavadika ihany, hoy ny fitenenana izay, no vavolombelon’ny asa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT