Edito

Ny atiny aloha…


  • Alakamisy 17 Aprily 2025

Misy ny miteny fa tsy miasa, misy nymiasa fa tsy miteny.

Tsy voatery hazava amin’ny rehetra ny zavatra ambaranao sy ataonao, ny mahay, manam-panahy sy mahay mandinika tsara ny zava-nisy sy misy kosa anefa dia tsy ho voafitaky ny zavatra hisy sy ho avy eo. Tsy mora ilay fiainana eto Madagasikara, tena tsy misy tsy mikaikaika, na olon-tsotra io, na mpiasam-panjakana, na orinasa , na olona miasa tena, na mpandraharaha. Indrisy anefa fa matetika lasa any amin’ny zavatra mandany andro no iadian-kevitra, vitsy ireo toga saina hoe tsy mantsy miasa sy mamokatra anie isika vao ho tafavoaka eto e ! Ny mpiara-miasa ve moa tsy hanampy eo foana, na ireo firenen-dehibe aza anie mbola mifanampy fa tsy misy mahavita tena irery izany e ! Don-tandroka no betsaka, tahaka ny ataon’ny filoha Trump fa rehefa avy eo mifanaraka ihany satria misy tombotsoa iombonana ao. Tsy ho tafavoaka Ramalagasy raha mbola mifanenjika am-pitoerana sy mandany andro amin’ny seho ivelany, ny atiny no mila karakaraina, afaka misafidy tsara izay tiana atao ho fonony ety ivelany avy eo. Tsy hoe tonga vahiny dia iny fa hihetsiketsika be , tsy fahita tao anatin’ny 60 taona, ka lasa manjelanjelatra tampoka ny iray tanàna ; midy ny vahiny avy eo, miverina feno fofon’amany indray ny sisin-dalana dia samy manao ny ataony indray . Andao tohizana ny zavatra tsara, tsy mifanambaka, tsy mifampihatsaravelatsihy, tsy misolelaka, tsy manao fanakianana be fahatany, tsy manao mody marenina, tsy manao mody adala fa atao izay tsy maintsy atao.Izay mahasoa no atao, izay mahatafita no handaniana andro, miasa mba hamokatra fa tsy miasa satria hoe izay no lamaody.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT