Fara fahakeliny isan-tapa-bolana dia hita sy re amin’ny haino aman-jery rehetra eto amin’ny firenena ny filoham-pirenena miantso firaisankina sy fifanomezan-tanana amin’ny hetsika rehetra ataon’ny fitondram-panjakana.
Antoky ny fampandrosoana, hono, tsinona izany. Ny zavatra hitan’ny maso sy ren’ny sofina eny anaty fiarahamonina anefa etsy an-kilan’izay toa fisarihana ny olompirenena any amin’ny fizarazarana tanteraka. Mba mihatra eto amin’ity Madagasikara ity tokoa ve ao anatin’izao fitondrana nilaza azy ho nanao velirano izao ireo tena hoe soatoavina nireharehan’ny hafa izany atao hoe fiarahamonina malagasy izany? Tena nisy tokoa ve, ohatra, ny teny ierana tamin’ny nananganana io Kianja masoandro anaty rova io ? Na ireo lazaina fa komity siantifika nanaiky izany aza tsy andrenesam-peo mandrak’anio. Indrindra moa fa ilay profesora malaza ho mitarika azy ireo. Ny resaka hahamehana ara-pahasalamana moa dia hita ho miha tapi-dalan-kaleha mihitsy ny valalabemandry satria manampy trotraka ny areti-mandripaka sy mandringana mihanaka ny fahantrana. Miara-dalana amin’ny krizy ara-pahasalamana ny krizy sosialy sy toekarena. Mananontanona koa ny krizy politika, raha tsy hitandremana. Sanatriavina rahateo ny mbola hiverenan’izany eto amin’ny firenena satria hiaraha-mahalala fa mainka hamarina an-kady ny valalabemandry. Sao dia mba fotoana izao hihanoana ny hevitra rehetra mba tsy handraisana fanapahan-kevitra miterak’olana, arak’ilay efa fambaran’ny olona matetika ? Tsy efa porofon’ny tsy filaminana ve, mba tsy hilazana hoe tsy fahaiza-mitantana ny raharaha miteraka resabe rehetra ankehitriny? Tsy hitanisa fotsiny ankoatran’ny resaka vatomamy novidiana 8 miliara ariary, ny resaka Sojaben’ny fitsaboana ao Toamasina nosamborina, ny raharaha Berija Ravelomanantsoa, ilay resaka Colisée teo sy ny resaka savorovoro tao Toamasina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.