Edito

NY atao no hita


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Samy miroso tsikelikely amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy maha kandida azy daholo aloha hatreto izay te ho filoham-pirenena rehetra.

Sa tokony hoe izay te ho lasa mpitondra rehetra ? Toy ny efa niainana tamin’ilay farany izay nahitana kandida 33 isa tsinona dia tsikaritra ihany fa tao ny nitily ny toerana minisitra. Ny sasany kay te ho praiminisitra na koa mpanolotsaina sy ny maro hafa tsy voatanisa. Hatreto dia samy milaza ho manana vina avokoa aloha izay efa nanontaniana rehetra sy efa nanatitra izay antontan-taratasy ihany koa. Mety misy amin’izy ireny tokoa ny tena matotra saingy tsy ferana ihany koa anefa raha ny fizotrany hatreto hoe maro tamin’izy ireny no sahy nikivalavala na dia resaka iankinan’aina olona manodidina ny 27 tapitrisa isa aza ity raharaha ity. Hita ho mbola namela takaitra sy dintakely tsy afa-doha toy ny voalazan’ilay tononkira iray izay ny kolontsaina sy ny fanakatoana fanantenana poakaty nitranga tamin’ny 9 taona lasa. Aiza no hahalalana na bitsika teny am-panidinana teny ny an’ny sasany no lazainy fa vinany tampoka teo ? Ny atao no hita, hoy ny fomba fiteny, ary ny bainga voavadika ihany no vavolombelon’ny asa na dia mora atao sy azo ampamirampiratina aza ny fampanantenana isan-karazany. Ireo mpifidy dia hirariana mba hahay handinika tsara fa tsy hoetinkenti-kataitairana intsony ka aty aoriana vao hanenina. Ny mpampifidy anefa hirariana toy izany koa mba tsy ho marivo salosana ka voavidim-bola ary halaim-panahy hanodina ny tena safidim-bahoaka. Izay tena “manan-katao” ara-bakiteny anie no handresy fa tsy ny manan-katolotra mpanenji-dresy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT