Ny androany vita ihany!

Ny androany vita ihany, hoy ny fomba fiteny izay, na koa hoe ny anio


  • Alarobia 04 Jona 2025

vita ihany fa ny hanjo ireo mbola malagasy aoriantsika ao ireo tokoa izany hanao ahoana?

Handova dezaka, araka ny fanahian’ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Dama, tokoa ve sanatrian’izany izy ireo? Afaka 10, 20, 30 taona, hanao ahoana ireo zanantsika, zafintsika raha izao ny fiainam-pirenena malagasy ankehitriny? Tsikaritra ho nifanesisesy mihitsy tato ho ato ny fampahatsiahivan’ireo efa nahita ny aty vilanin’ny fitantanana ity firenena ity rehetra fa mbola malagasy koa ireo hoavy aoriantsika ao. Ekena tokoa fa zon’ny fitondràna izay mijoro eo na oviana na oviana izy no ho eo sy teo saingy heverina fa zon’ny vahoaka malagasy mihoatra lavitra noho izany ny mahalala ny antsipiriany mihitsy ny mikasika ireny lazaina fa fifanaraham-pitrandrahana ireo harena eto amin’ny firenena ireny. Toa na ny heverina fa tsara ho fantatra indrindra amin’izy ireny aza ity mbola manjavozavo, na dia atao hoe ho an’ireo mpanara-baovao hany mba misaina ny mikasika izay hoavin’ity firenena ity izay aza? Na Ambatovy na QMM na Rio Tinto na Base Toliara sy izay fitrandrahana hafa ankoatran’ireo, aiza ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka? Mendrika ny harena efa navela ho notovozin’ireo lazaina fa mpiara-miombon’antoka rehetra ireo ve ny fotodrafitrasa madinidinika nomen’izy ireo ny tompon-tany? Misy aza moa ny voalaza fa tsy nanao na inona na inona akory ho fanasoavana ireo mponina amin’ireo toerana misy fitrandrahana sasany. Inona moa no vokatr’izany rehetra izany hatreto anefa ankoatran’ny hoe farany mahantra eto ambonin’ny tany ny firenena? Hiditra koa io ny israelianina sy firenena arabo maro. Irariana hatrany moa, na izany na tsy izany, ny mba hipoiran’ny tena mahasoa ity firenena any aoriana any satria averina ihany, ny androany vita ihany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT