Edito

Ny « aller » misy « retour » a !


  • Alarobia 27 Janoary 2016

Anisan’ny fahadisoana lehibe ataon’ny mpanao politika malagasy ilay fiheverana ny vahoaka ho bado ka ho mora ambakaina sy fitahina. Noho ny fahantrany dia tratran’ny sitrany ahay tokoa ny maro satria nampahantraina.

 

 Ny 92%-n’ny tokantrano malagasy izao no miaina ao anaty fahantrana lalina sy miaina ao anatin’ny tsy fananan’asa. Manaiky izy raha vidiana ny heviny sy ny safidiny indraindray saingy ny fanahiny kosa tsy amidiny. Notsarovana omaly ny alatsinainy mainty izay nitaritana olona handroba sy hangalatra fananan’olona. Fatiantoka iray lavaka ho an’ny firenena no vokany ary faty nikararana ihany koa no hita tetsy sy teroa. Ny anton’izany dia vokatry ny fialonana sy ny fitsiriritana ny fahombiazan’ny hafa fotsiny dia natao izay nidabohany na dia hamotika ny firenena manontolo aza. Nahantra mantsy, hono, ny olona tamin’izany fotoana ka mila narenina ny fiainany. Nomena vola ny andiana tanora avy nomena zava-mahadomelina hamaky ny zavatr’olona dia avy eo alaina fanahy ny valala tsy mandady harona haka ny tsy azy sy ny tsy nisasarany dia avy eo milaza fa tsy tompon’andraikitra amin’izay niseho. Raha nahantra ary ny olona tamin’ireny fotoana ireny, rehefa niala tamin’ny toerany ve ilay nambara fa mpitondra jadona dia niha nanankarena amin’izay ny vahoaka ? Sa nisy ireo andian’olona vitsy an’isa no lasa be nangy tamin’ny risorison’andramena sy ny vatosoa ary ny volamena izay fananam-pirenena ? Efa nisy tsirim-panantenana hivoatra sy handroso teto tamin’ny 2008 saingy nopotehana ary tena mbola manao an-kisisika any anaty fitodrana any ireo mpambotry firenena. Raha tsy mbola lena ianao izao ankehitriny izao dia tsarovy fa tsy midika akory izany fa tsy ho tratry ny aloka mihitsy. Efa nilazana ianao izay ka tsy ho afaka ny hiteny hoe tsy nahalala intsony fa ny « aller » misy « retour » a !

Ra-bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT