Ny famerenana ny fahefana any amin’ny vahoaka ka hirosoana amin’ny fifidianana no vahaolana amin’ny krizy. Io indray no ataon’ny mpitondra sy ireo mpiara-dia aminy litania rehefa nisafidy ny handeha irery izy ireo, fa tsy hiaraka amin’ny besinimaro hampanjary ilay teny malaza hoe : ny tonga miaraka no fanombohana ary ny miasa miaraka no fahombiazana. Fifidianana madio, mangarahara, malalaka ary demokratika no hatao, hoy ihany izy ireo miezaka mandresy lahatra. Dia mba lasa ihany ny saina aman’eritreritra mandre izany rehetra izany, ary velom-panontaniana mihitsy aza manao hoe : mba malala marina ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity ve ireny olona miteny ireny, sa faly te hiteny fotsiny ? Raha miresaka fifidianana ianao dia singa tsy afaka misaraka aminy ny lisi-pifidianana, raha tsy hiteny afa-tsy io.
Tsy resahina na iniana tsy resahina mihitsy izy io nefa manokatra ady hevitra goavana. Ny lisi-pifidianana dia isan’ny fototry ny hala-bato aty amin’ny tany andalam-pandrosoana, indrindra aty Afrika. Efa fototr’ady teto io ny taona 2001, ary mbola noventesina ny taona 2009. Ny fikasan’izao fitondrana FAT izao hanatanteraka fifidianana anaty fahavaratra dia efa mampiahiahy, maika fa ny lisi-pifidianana tsy tomombana akory ve tsy hanampy trotraka izany. Mba alaivo sary an-tsaina ny zavatra aterak’ity tsy fandriampahalemana ity. Any amin’iny distrikan’i Kandreho, faritra Betsiboka iny anie izao ka maro ny tanàna haolo fa nilaozan’ny olona noho ny asan-dahalo e. Tato anatin’ny efa-bolana farany izao fotsiny, dia fiangonana FJKM iray no may nisy nandoro tany, iray hafa voaroba, ny iray indray tsy misy mpiangona intsony satria nanavotra aina namonjy tanàn-dehibe ny mponina tao vokatry ny tsy fandriampahalemana.
Tranga iray iny. Tranga manaraka ety an-drenivohitra indray, dia mivezivezy izay tsy izy ny mponina taorian’ny fikatonan’ireo orinasa maro noho ny krizy nateraky ny fanonganam-panjakana ity. Tsy misy fonenana raikitra intsony, satria betsaka koa no miova trano mila ho isam-bolana fa tsy mahaloa hofantrano. Dia mba lisi-pifidianana inona no hanjary ao anatin’izany. Misisika ny hanao fifidianana anefa ity ny FAT. Koa ny ahiahy tsy ihavanana. Mandady anefa ny trambo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.