Edito

Ny ahiahy tsy hihavanana


  • Alarobia 22 Febroary 2012

Tantara tsy mety vita ny ao amin’ny BCM na ny Banky Foiben’i Madagasikara. Taorian’ny fitokonan’ny mpiasa noho ny tsy faneken’izy ireo ny fanesorana tsy ara-dalàna ny governora sy ny fanendrena tsy araka ny lalàna ny olona hisolo toerana azy vonjimaika, dia tonga ny valin-kafatra avy any amin’ny ministeran’ny vola sy ny tetibola.

 Nivoaka omaly maraina ny “requisition”, na taratasy manery ireo mpiasa migrevy hiverina miasa haingana, fa raha tsy izany dia hilatsaka ny sazy izay mety hitarika fandroahana mihitsy. Atoa Guy Ratovondrahona, Tale jeneraly am-perinasa ary notendren’ny fanjakana hisolo vonjimaika ny governora Rasamoely Frédéric no nanasonia io taratasy io. Nampiakatra ny tambavin’ireo mpiasa izany rehetra izany ary dia vao mainka aza nanamafy ny fitokonany izy ireo. Misafotofoto be ihany ity raharaha BCM ity satria misy ny zavatra tsy mazava. Nilaza, ohatra ny minisitra Hery Rajaonarimampianina fa efa tamin’ny janoary 2011 no nivoaka ny didim-panjakana manala amin’ny toerany ny governora satria tapitra ny fe-potoana niasany.

Tsy misy manda an’izany fa mitombina tokoa tsinona fa nahafeno efa-taona niasana ingahy governora. Ny mahagaga dia ny hoe : fa nahoana kosa ary no mbola navelan’ny FAT hiasa nandritra ny herintaona indray Atoa Frédéric Rasamoely, fa tsy nohafainganina ny fanendrena amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra izay olona hisolo azy. Fantatry ny mpitondra tsara anefa fa tena saropady izany Banky Foibe izany, satria ao no tahirizina ny volan’ny fanjakana Malagasy. Tao anatin’ny 12 volana ve dia tsy nahita olona azo tendrena governoran’ny BCM mihitsy ny mpitondra fanjakana, sa nanao ho ambanin-javatra izany fanendrena izany tsotra izao ? Manaraka izay dia maro be ny resaka mandeha ny amin’ny famoahana vola, tampotampoka sy tsy araka ny lalàna ao amin’ny Banky Foibe ao, ka sao dia misy ifandraisany amin’izany ary izao zava-mitranga rehetra izao ? Misy milaza koa ireo mpiasa mitokona fa tena te hanao izay tiany ao amin’ny BCM mihitsy ny mpitondra tetezamita

Araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia toa hoe manana rohim-pihavanana amina mpitondra ambony anatin’izao tetezamita izao Atoa Guy Ratovondrahona, Tale jeneraly ankehitriny, ka izy mihitsy no eritreretina ho governora. Voalaza fa olon-dRavalomanana mantsy i Frédéric Rasamoely ka noho izany tsy dia mety amin’ny olona sasany ny hijanonany amin’ny toerana maha governora azy na dia iray minitra monja aza. Ankoatra izay dia manomboka mahoraka be ihany koa fa mety misy ambadika politika ity fitokonan’ny mpiasan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ity. Manahirana foana ny raharaha tahaka itony satria misy resaka vola, ka ho hita eo ny fahaizan’ny minisitry ny vola mandamina ny raharaha. Mety ho ratsy ihany mantsy ny fandehan’ny tantara raha toa ka mitatra andro maromaro ity fitokonana ity. Hazavao ny sain’ny olona fa ny ahiahy tsy hihavanana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT