Edito

Ny ahiahy tsy hihavanana


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Omaly moa izany no nanomboka nampahafantatra am-pahibemaso ny vinan’asany ao anatin’ny fampihavanam-pirenena kasain’izy ireo ho tontosaina eto ireo kandida maniry mba ho isan’ireo ho mpampihavana 44 mianadahy eto amin’ny firenena.

 Sarotra hono ny fanivanana azy 220 mianadahy izay niatrika izay fanadinana tetsy Anosy izay omaly ary hita fa tena manan-karena olona mihitsy hono ity Madagasikara ity. Izany tokoa ve? Koa tsy tokony efa tontosa hatry ny ela be ary ve izany ilay tena fampihavanam-pirenena tadiavina raha izany marina no izy? Fanim-piriny amin’izao moa izany no niova io hoe komity isahana ny resaka fihavanana io kanefa dia mbola mijolofotra foana hatreto? Efa heno sahady nanomboka iny omaly iny fa misy ambadika ihany koa, hono, na dia io resaka fampihavanana io aza, raha ny fanehoan-kevitra an-tariby iray. Sao lahy dia ny efa tonta ihany no mbola avadibadika amin’ity raharaha ity ka ny Kotozafy ihany no Leksisy ary ny Raiamandreny najoro teo aloha ihany no mbola hajoro? Ny ahiahy tsy hihavanana a ¡

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT