Ny tody « itsy » misy ka ny atao no miverina fa tsy hoe ny tody tsy misy fa ny atao no miverina no fiteny, hoy ireo mpandalina sy mpikaroka momba ny Malagasy rehefa manitsy ny hevi-baventin’ny fahendren’ny Ntaolo mikasika ny fiheverana ny atao hoe tody .
Inona tokoa moa no atao hoe “tody”raha tsy fiverenan’ny tsy nety nataon’ny tena teo aloha ihany ? Maro no sorena vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny fisiana fifamindram-pahefana ara-miaramila tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly, ary dia velom-panontaniana ny tsirairay hoe: inona no maha samihafa an’izao tamin’ny hetsika tany Ambalavao sy ny hotontosaina etsy amin’ny lapan’ny tanànana Analakely ny sabotsy izao ? Sa ve anjaran-« dry zareo » aloha izao dia navela iny omaly iny sy ny teny Atsimondrano ? Dia hitohy foana izany fihodinkodinam-balipaty politika sy ny fanararaotam-pahefana izay efa namarina ary mbola hamarina an-kady ny firenena ? efa fifampirisihana lasa toy ny tsy hita izay maharatsy azy mihitsy aza angamba ny hoe samia maka ny anjarany. Sao dia mila ampahatsiahivina lalandava tokoa ary fa misy ny tody ary niharan’izany hatrany isika tao anatin’ny 50 taona rehefa natao ny tetiharan-tantara ? Ny loza anefa dia tsy vitan’ny noverezin’ny tody amin’izao fotsiny Ramalagasy sy ny nosiny fa nentin’ity singa mampisavoaravoara fiarahamonina ity nanaraka azy ihany koa ny ankamaroan’ny soatoaviny, hany ka na ilay fihavanana izay tsy nisy nanana afa-tsy isika aza lasa mampalaza ity firenena ity ho tsy mitady ny very intsony fa nanary ny hita.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.