Eo am-pandraisana izay tena marina amin’ny sori-dalana hosoniavina sy hampiharina eto Madagasikara dia hitana sy sain’ny mpanara-baovao amin’ity herinandro vaovao ity ny mety ho fitohizan’ny raharaha 7 febroary.
Nisy mantsy ny fanoheran’ireo voapanga ny didy navoakan’ny fitsarana sy ny fomba nanaovana ny fanadihadiana sy ny fitsarana amin’ny ankapobeny, ka ny alakamisy sy ny zoma ho avy izao no handinika ny raharaha ny fitsarana ady heloka bevava etsy Anosy. Anisan’ny voaheloka ao anatin’ity raharaha ity moa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay tsy mitsahatra ny miteny fa tsy nanao ratsy tamin’ny vahoaka sy tsy nampamono olona izany izy ary mangataka ny hanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena eto. Izy rahateo efa nitondra ny raharaha any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ary milaza fa tsy maintsy ho hita ny marina tamin’iny fitifiran’olona teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 iny. Ny fitsarana moa dia nahazo fanakianana maro tao anatin’izany rehetra izany ary dia miverimberina am-bavan’ny maro ny hoe : moa va ka tsy mitanila sy mahaleotena marina ny fitsarana Malagasy, sa mandray baiko avy amin’ny fahefana panatanteraka ? Fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe : moa va tena hampilamina ny firenena ny fanenjehana sy fanamelohana ny mpitondra teo aloha ? Nahoana no nihazakazahana ny nanaovana ny fitsarana sy namoahana ny didy ? Nahoana koa no tsy mitady ny fomba rehetra hampodiana an’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara ka hitsarana sy hanagadrana azy ny fitsarana Malagasy, eny fa na dia tsy manana fifanarahana manokana momba ny fitsarana amin’i Afrika Atsimo aza isika ? Iza marina no matahotra ny hiverenan’i Dada eto ?
Raha meloka marina mantsy izy sy ambaran’ireo manampahefana sasany hoe efa tsy tian’ny Malagasy intsony, nahoana no tsy avela ho avy eto dia alefa eny Tsiafahy ao amin’ilay efitrano efa nomanin’i Voninahitsy ho azy ? Hita sy tsikaritra fa maro be ihany ny zavatra mifanipaka ambaran’ny fitondrana tetezamita, ary maro be ireo mpitari-bato vilam-bava mahazo fahefana eto amintsika amin’izao fotoana. Manao vavabe etsy sy eroa kanefa misitri-belona rehefa tena antsoina hifanatrika. Mahafantatra tsara Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany fa mihena ny fitiavan’ny vahoaka azy ireo fa tsy tahaka ny tamin’ny 2008 – 2009 ka hanova zavatra maro be amin’ny fiainam-pirenena sy ny famahana ny krizy ny hamelana ireo mpifanandrina politika aminy hiditra an-kalalahana eto Madagasikara, ka lohalisitra amin’izany ny filoha teo aloha. Ny azo ambara fa kileman’i Marc Ravalomanana amin’izao ady politika mitranga izao dia ny tsy maha eto Madagasikara azy, fa raha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia efa matanjaka izy ary tsy resin’ny FAT mihitsy. Raha tafiditra eto Madagasikara izy dia azo antoka fa hitombo ny heriny ary ho mora aminy sy ny mpiara-dia aminy ny handresy ny Ankolafy Rajeolina ary hanova ny zava-misy rehetra. Koa noho izany dia mitady ny fomba rehetra haha-mandrakizay ny NOTAM momba an-dRavalomanana ny FAT.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.