Edito

Nosy maha onena


  • Sabotsy 12 Aogositra 2017

Mpitondra tsy mahay mihaino, vahoaka mahantra, firenena anjakan’ny kolikoly sy feno fandikan-dalàna.

Santionany amin’ireo tsikera efa mpahazo ity firenena malalantsika ity sy ireo mpitondrany avokoa ireo ary ny mampalahelo dia tsy miafina fa miharihary eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena ary na izy ireo ihany koa aza dia saika miombon-kevitra amin’ireo tsikera voalaza matetika ireo. Manjavozavo ny raharaha Razaimamonjy, toy izany koa ny raharaha Antsakabary ary dia efa manambana ho isan’ireo ihany koa ankehitriny ny raharaha nahafaty ireo mpiara-dia amin’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, toa an’i Mamy Rakotoarivelo sy Tsiandopy Jacky. Nalaza teo aloha teo moa ny hoe tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary vao omaly indray izao no nisy fikambanana nitaraina fa ireo mpanao trafika indray no mahazo laka ary ireo mpiaro ny tontolo iainana no mijabaka. Inona intsony moa izany no azo iantsoana ity nosy ity ankehitriny? Nosy maitso sa mena? Sa kosa sady nosy mena no… nosy maha onena?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT