Edito

Nitsefotra indray !


  • Alarobia 30 Mey 2012

Nitsefotra fotsiny aloha hatreto ny CENIT. Famoahana datim-pifidianana no nandrasana taminy kinanjo fe-potoana hahavitany ny lisi-pifidianana sy fametrahana ireo rantsamangaikany any amin’ny faritra indray no nambarany.

 Raha izao no fandehany dia amin’ny 2013 ihany vao mety hisy fifidianana eto, raha toa ka tsy misy olana hafa mitranga indray. Dia tsy hisy fifidianana izany aloha raha ny amin’ity taona ity e ! Afaka mbola manoman-tena tsara ireo kandida fa mbola lavalava ihany ny fotoana. Azo heverina fa tsy te hidi-kizo ny CENIT koa dia naleon’izy ireo milaza ny zavatra azony antoka fa ho vitany sy azo tanterahina. Sarotra tokoa mantsy ny mino, fa hilamina ny fifidianana atao eto, raha ny zava-misy amin’izao fotoana no dinihana. Ilay fitoniana mihitsy no tsy mbola misy eto, ary mbola mifanasa vangy ihany koa hatramin’izao ny mpanao politika, misy ny manao be loha, ao koa ny tsy vonona ny handefitra izany mihitsy. Hita ho mafy dia mafy ihany koa ny tsindry bokotra avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka tsy afaka hiziriziry intsony tahaka ny nahazatra azy hatramin’izay i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Dia amin’ny 2013 indray izany mifankahita e. Mety hitombina ihany ny faminanian’ny Pastera Mailhol, hoy ny olona sasany, ao koa no mahita fa misy mihitsy ny vondron’olona mikaroka ny fomba rehetra tsy hisian’ny fifidianana eto, amin’izay mba afaka mangoron-karena ihany aloha. Andrasana indray ny mety ho fanehoan-kevitra taorian’iny fanambarana nataon’ny CENIT iny. Ny antoko TGV izao dia nitaky hoe : tanteraho haingana ny fifidianana, ny Les AS dia milaza fa tsy maintsy misy fifidianana amin’ity taona ity. Toa tsy ho raikitra anefa ilay izy. Dia inona izany no mety ho tohiny, sa hisy sendikan’ny mpanao politika indray hitsangana ato ho ato, ka hitaky ny hanatanterahana fifidianana amin’ity 2012 ity e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT