Edito

Nitadiavany hevitra


  • Alarobia 10 Martsa 2010

Rehefa mahatsapa fa tsy mahavaha olana dia mametra-pialana. Izany no fanaon’ny any amin’ny tany mandroso.

Mametra-pialana aho ho an’ny tombontsoa avon’ny firenena, hoy ny jeneraly Zafera Viennot omaly tamin’ny teny hentitra. Izany ka tenin-dehilahy, hoy ny mpitazana saingy, tsy fitenin-jeneraly, hoy indray ny hafa. Amin’ny fotoana sarotra mantsy no tokony hijoro ny jeneraly, manome herin-tsaina ny miaramilany saingy teto dia hafa ny feony, niamboho adidy ny jeneraly. Rehefa henjana ny raharaha, tsy ahitam-bahaolana ny fandaminana ny raharaha Fort Duchesne dia nandrangaranga fa hiditra amin’ny fampiasan-kery ny hery hafa dia nilefitra ny jeneraly. 

Hakanosana sa paikady ? Tsy azo neritreretina na dia iray minitra monja hoe ny jeneraly Zafera no hametra-pialana vetivety teo, izy izay nilokaloka fa tsy hivadika amin’i Andry Rajoelina, mandra-pahafatiny. Andry Rajoelina izay nahazoany ny galonan’ny jeneraly. Ny fahatokisan’i Andry Rajoelina azy no, azo ambara, fa mbola maha eo azy amin’io andraikitra hitarika ny hery vonjitaitran’ny zandary io, ka anio izy hametra-pialana ? Tsy fivadiham-pitokisana no dikan’izany ? Raha tanany ny teniny fa hametra-pialana tokoa izy ary tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny dia izy izany no olona faharoa tanan-kavanan’i Andry Rajoelina niala, taorian’i Ny Hasina Andriamanjato, nametra-pialana ny 10 febroary, iray volana lasa izay. Re nony hariva fa niravona ny disadisa tao Fort Duchesne, taorian’ny dinika tao Mahazoarivo. Dia miverina amin’ny asa aman’andraikiny ny jeneraly Zafera. Hifandom-bera eny amin’ny toby ny zandary anio aorian’ny fanambarana iraisana hatao. Maninona tokoa moa ? Vola 500 tapitrisa ariary ve no haharava ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, koa tsy hitadiavany hevitra !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT