Mahatsapa ny fitondram-panjakana fa mahamay ny toe-draharaha ka aleo alamina kely aloha. Izay no azo andikana tsotsotra ny toromariky ny filoha Hery Rajaonarimampianina mba hanatsoahan’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao ny fitoriana an’ireo mpanao gazety mirahalahy avy ao amin’ny Madagascar Matin.
Fihetsika mendri-piderana izany, hoy ny filoha omaly ka tokony hatao. Misy antony tena lehibe matoa niditra an-tsehatra ny filohan’ny repoblika. Tsy maintsy nalamina haingana ity resaka ity satria manomboka miitatra ilay izy, ary mampitombo ny fahasosoran’ny olona amin’ilay fitondram-panjakana ny fihetsiky ny manampahefana sasany. Marina ary mitombina avokoa ny zavatra nambarantsika teto, tato ho ato izay hoe mandrora mitsilany ihany ny mpitondra amin’ity zavatra ataony ity. Tsy olona ambonin’ny lalàna akory ny mpanao gazety, fa ilay managadra amin’izao vanim-potoana izao kosa no tsy mety e ! Misy ny dingana hafa mbola azo natao tsara mialoha an’io fitoriana sy fampidirana am-ponja vonjimaika io. Asa anefa izay nahamaika an’Atoa minisi-panjakana hihazakazaka amin’ny fitoriana. Mitokona ny mpianatra eny amin’ny oniversite, tahaka izany koa ny eny amin’ny INFA, izao manome « ultimatum » indray koa ny mpiraki-draharaha eny amin’ny fitsarana. Ratsiratsy ihany ny endriky ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina izay feno enim-bolana katroka anio no nitantanany ny firenena.Tokony handinika indray mandeha indray ny mombamomba ny mpiara-miasa aminy ny filoham-pirenena raha tsy te hamono afo isaky ny mihetsika. Sao dia misy tokony hosolona, ohatra. Toy ny olona tsy mahazaka fahefana izany ny manampahefana sasany ka mety hanondrana isaky ny mihetsika. Dia resy lahatra ve ingahy minisi-panjakana fa tafaverina ny voninahiny amin’izao zavatra mitranga izao ? Tsy vao miha aza ve ratsy endrika eo imason’ny rehetra izy hoe : ity ilay minisitra mpanagadra mpanao gazety ? Ny diavolan-ko lava, ny lalao mbola ho ela … Tsy misy tompon’ny fahamarinana izany eto ary tsy misy izany mafy be tsy azo kianina na kitihana izany. Lesona ho an’ny mpitondra ireny. Tsy olon-tsotra intsony ianao rehefa manampahefana ka mba tandremo ihany ny fihetsika sy ny zavatra ambara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.