Edito

Nilatsahan’ny Fanahy Masina !


  • Talata 14 Jona 2011

Nanamarika ny fetin’ny pentekosta ireo mpino kristianina ny alahady lasa teo. Vanim-potoana voatondro fa nilatsahan’ny fanahy masina tamin’ireo apostoly, mpianatr’i Jesoa Kristy ary niorenan’ny fiangonana izy io.

Mpino kristianina no maro an’isa eto Madagasikara satria raha ireo fiangonana roa azo atao hoe lehibe fotsiny no resahana, izany hoe ny FJKM sy ny EKAR dia manana mpino 10 tapitrisa eo ho eo izy ireo. Mampametra-panontaniana ihany anefa ny zava-manjo ny firenena satria toa tena tonga amin’ilay fitenenana hoe be tsy handraofana ny kristianina. Maro dia maro no miditra am-piangonana, saingy vitsy no tena mandray ny fampianarana sy manaiky ny fitarihan’ny fanahy masina ary manankina ny fiainany amin’ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Maro be ireo kristianina ao anatin’ny fitondram-panjakana rehetra nifandimby teto, kristianina ihany koa ny ankamaroan’ireo mpanao politika, misy aza no olom-boahosotra mihitsy satria na mpiandry na mpitandrina.

Toa mbola tena lavitry ny fahazavana anefa i Madagasikara ary fanampin-tsakafon’ireo mpanao politika ny fifanenjehana sy ny fifanandrinana. Adinon’izy ireo tanteraka ilay didy lehibe indrindra dia ny hoe : «tiava ny namanao tahaka ny tenanao». Ilay hoe fitiavana an’Andriamanitra moa dia efa … Efa nisinisy ihany ireo nilaza fa mila miverina amin’Andrimanitra sy mibebaka mihitsy aloha ny Malagasy, izay vao tafarina, saingy tena variana amin’ny zavatra hafa ny rehetra. Milaza fa sahirana amin’ny fitadiavana sy ny ady seza dia manadino tanteraka fa tokana ihany ny famonjena, ary tsy ny olombelona mihitsy no hahavita fahagagana na dia manampahaizana toy inona aza izy. Efa tena maro be ireo karazana fivoriana nitadiavam-bahaolana hivoahana amn’ny krizy, fa tsy hita ihany ny tena marina. Vahaolana sy sori-dalana toa mitarika any amin’ny fifanandrinana vaovao foana no mipoitra ary samy tsy maty am-bavany ireo mpanao politika, miaro ny tombontsoany sy ny antokony. Mihareraka ny vahoaka ary efa maro mihitsy no tsy manam-pinoana intsony ary tena miraviravy tanana satria leon’ny sangodim-panina.

Tsy mahagaga, araka izany, raha mahasintona olona fatratra ireo kazarana antokom-pinoana vaovao milaza fa mahavaha olana sy mahavita fahagagana eo no ho eo. Misy amin’ireo milaza azy fa mpaminany mihitsy moa no milaza fa niresaka mivantana tamin’i Jesoa, hono, izy ireo ary miara-dalana isan’andro amin’ny fanahy masina ary mahasitrana ny aretina rehetra. Efa mpitranga any amin’ny firenena mahantra maro be maneran-tany io firoboroboan’ny sekta io, tahaka ny any Amerika Latina sy atsy Afrika ary dia izy izao maka fakany eto Madagasikara izao. Sarotra ny raharaha satria tsy mora ny mifandresy lahatra amin’ny resaka finoana ary maro no mieritreritra fa angano izany Andriamanitra sy Fanahy Masina izany ary noforonin’ny olona mba hahafahany manafina ny tahony sy ny hadalany. Tsy vitsy koa anefa ireo resy lahatra fa misy ny fahagagana tena azo avy amin’ilay Nahary ary mitranga amin’izay tena mino. Dia mbola manantena ihany Ramalagasy fa mba hiova fo ary hilatsahan’ny … Fanahy Masina ny mpitondra sy ny mpanao politika ka hifamela sy hifankatia ary hitsinjo ny mpiara-monina aminy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT