Edito

Nilatsaham-baratra !


  • Talata 25 Mey 2010


Very fanahy mbola velona indray tato anatin’ny andro vitsivitsy ireo mpanohitra ny HAT satria maro loatra ireo zava-nitranga nanalefaka ny hetsik’izy ireo. Teo aloha ny teny  Mausolée sy Fort Duchesne. Nilavo lefona ireo FIGN izay neritreretin’ny maro fa hoe hanampy ny vahoaka hanohitra ny fitondrana tetezamita. Manampy izay dia velona saingy mitsipozipozy ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, izay nitaky mihitsy ny fialan’i Andry Rajoelina faramparany teo. Mpitandrina iray no namoy ny ainy, voatifitra avy ao ivoho, teny  Mausolée, iray hafa naiditra am-ponja ary misy ny atao hazalambo. Nakatona tanteraka ny Radio Fahazavana, fitaovan-tserasera sahy nijoro nilaza ny tsy mety sy ny tsy rariny ary nampita isan’andro ny hetsiky ny ankolafy telo. Navoakan’ny fitsarana ny didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’i Marc Ravalomanana. Nanao fanambarana ihany ireo ankolafy telo, saingy nanetsin-tadiny tahaka ny mahazatra ary tsy nihetsi-bolomaso tamin’izany ny fitondrana tetezamita.

Tao anatin’ny roa andro no nitrangan’izany rehetra izany ary mialoha ny pentekosta. Nahatsiaro tena ho nilatsaham-baratra fa tsy nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpitolona mafana fo amin’ny fanoherana ny HAT ary mitady ny ho kivy sy ho ketraka, satria tsy mety vita ny tolona ary manan-kavaly foana ny mpitondra. Ankehitriny, ahiana koa ny tsy hisian’ny Pretoria 2 na ny hampandamoka an’izany indray ! Mifamahofaho ao an-tsain’ireo mpitolona eny an-kianja ny zava-drehetra, ary mitombo isan’andro ny fanontaniana saro-baliana manamaloka ny fanantenan’izy ireo : Ahoana ihany ary izy ity ? Inona no antony tsy mahatafita ny tolona ? Misy mpamadika ve, sa tena mafy ny HAT ? Ho tafody ihany ve i Dada ? Hifanara-tsaina ihany ve ny mpanao politika ny farany sa hifandrirotra mandrakizay, ka ny vahoaka hatrany no hibaby ny voka-dratsiny ? Mbola manjavozavo ny hoavy hatramin’izao ary samy jenjina avokoa ny rehetra, na ny mpanohitra io, na ny toherina satria tsy mety vita ny ady, tsy hita mivantana ny mpifanandrina amin’ny tena ary maro ny zavatra tsy ampoizina mitranga. Efa miha osa anefa ny toekaren’ny firenena, mitombo ny tsy an’asa ary miha mahazo vahana ny herisetra feno habibiana. Kihon-dalana goavana amin’ny tantaran’ity Nosy ity izao lalovana izao, araka ny fahitan’ny mpandinika azy ka izay no maha ela ny famoahana ny vahaolana satria tsy maintsy tsaboina sy ahitana fanafana avokoa ny aretina rehetra nampikorosofahana ny firenena, fa tsy azo atao intsony ny vahaolana kimaimaika. Tena mbola sarotra ny lalana !

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT