Edito

Nilaozan’ny Fanahy


  • Talata 17 Mey 2016

Tahaka ny noely sy ny paska dia maro ny Kristianina no misafidy ny pentekosta hanaovana batisa na batemy ny zanany.


Etsy an-kilan’izay dia mino sy manantena koa ny Kristianina fa fotoana hanamafisana ny fiovana sy ny fahaterahana vaovao amin’ny alalan’ny fanadiovan’ny Fanahy Masina ny olona iray ity vanim-potoana iray ity ary angataham-pitahiana ihany koa ho an’ny Tanindrazana mba hahazo ny fanafahana sy fanavaozana. Hetaheta, finoana toa sarotra tanterahana ihany raha ho an’i Madagasikara satria ny olona miroso, isika mihemotra isan-taona. Nampanantenaina fanavaozana, fiovana ny Malgasy tamin’ny 2009, fa inona akory ny teo. Tonga ny 2013 dia hoe Hery Vaovao, hono. Inona akory ny teo fa dia niha nahantra hatrany Ramalagasy. Zavatra tokony hampieritreritra lalina ny tsirairay io. Tsy misy olona mahavita fahagagana amin’ny alalan’ny kabary izany fa tsy maintsy arahin’asa, ary ny asa dia misy fepetra sy fitsipika mifehy azy. Tsy maintsy misy fiafiana ao, indrindra fa fiaraha-mientana sy faharesen-dahatra hiaraka hanatratra tanjona iray. Ary na dia samy mahay daholo aza ny tsirairay ao anatin’ny ekipa, rehefa tsy mahay mitarika ny kapiteny dia korontana no hitranga ; dia izao manjo an’i Madagasikara izao e !


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT